kolon-tsaina

Tantara fihaino : Omena lanja ny fanoratana

Iray amin’ireo fototra lehibe mampijoro ny tantara fihaino (tantara an’onjampeo, tantara fandefa amin’ny Radio) ny fanoratana azy ireny. Tsy mora sady saro-pady. Hisy ny atrikasa hoenti-manatsara azy ity atsy ho atsy. Nanaraka ny firoboroboan’ny fitsanganana na fiorenan’ny Radio ny fitomboan’isan’ireo tia sy liana ary mihaino sy manaraka ny tantara alefa […]

TARATRY ny KANTO

“Ny mpanakanto ve… Sa mpaminany sandoka?” Io no lohahevitry ny takalo am-pamoloana, izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany i Lanto Ratsida, sosiology, ka hiainga avy amin’ireo tononkiran’i Dedesse sy ny Lôlô sy ny tariny izy amin’ny famakafakana. Eo koa i Pov, mpanao sariitatra […]

Capitaine Makassa: Navoaka amin’ny fitenim-pirenena fito ny hira “Voleuse”

Namoaka hira vaovao nampitondrainy ny lohateny “Voleuse” i Capitaine Ma­kassa. Narafiny ao anatin’ny gadona “afro nation”. Ma­haritra 3minitra sy 55 segaondra eo ho eo izy ity. Navoaka amin’ny fitenim-pirenena miisa 7, toy ny teny lingala, espaniola, malagasy, frantsay, anglisy, swahili, amerikanina … Hira mitantara vehivavy iray nahababo ny fony na […]

Ultima media : Mpanao gazety sivy nahazo mariboninahitra

Nomarihana omaly, 3 mey ny Andro fankalazana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety maneran-tany. Mpanao gazety 106 avy eto Madagasikara no na­hazo mariboninahitra avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, tetsy amin’ny Ivotoro, Nanisana. Grand croix de l’ordre national, commandeur de l’ordre national, grand officiers ary chevaliers de l’ordre national no […]

Fiarovana ny tontolo iainana : Hisy hetsika manokana eto Antananarivo

Nanomboka tamin’ny sa­botsy hatramin’ny 10 mey 2026 ho avy izao ny « Festival de la nature ». Hetsika karakarain’ny Festive groupe, izay tanterahina eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika. Mifantoka indrindra amin’ny fanabeazana sy fanentanana ireo tanora an-tanàn-dehibe momba ny olana sy ny tokony ny hanajana ny […]