kolon-tsaina

Vina taona 2023 : hisy ny fihaonamben’ny mpampianatra valiha

Iray amin’ireo zavamaneno hita manerana an’i Mada­gasikara ny valiha. Miha maro ny efa liana aminy, indrindra fa ny Malagasy. Tsy vitsy ireo niroso amin’ny fampianarana azy ity. Vokatr’izay, samy manana ny fomba heveriny fa hoenti-mampita fahalalana ny mpampianatra tsirairay. Taha­ka izany ihany koa ny fandaharam-pianarana. Mba hampifanatona akaikikaiky kokoa ireo […]

“Mizara hafalina” : nahaliana ny olona ny hetsika

Notanterahina teny amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny zoma 30 desambra 2022, ny hetsika “Mizara hafalina”. Dihy va­ko­drazana, niarahana tamin’ny tarika Bakomanga, noravahana lalao sy fanentanana no naseho nandritra ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana sy ny hameloma-maso ny kolontsaina malagasy, ankoatra ny fifampizarana hafalina, hoy ny mpikarakara. Anjaran’ny […]

Teren’ny tsy fisiana asa: mihamaro ireo mpitsoka mozika an-dalambe

Raha mbola eto Antananarivo, tsy nisy tsy nahatsikaritra ireo mpitsoka mozika etsy sy eroa. Nihamaro izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao, ary mbola hihabetsaka amin’io fifampiarahabana noho ny taom-baovao io. Fahasahirana anefa ny ao ambadik’izany… Nahitana azy ireny foana isan-taona, rehefa manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona, fa indrindra ny voalohan’ny taona. […]

« Noelin’ilay fanjakana »: Seho miaraka amin’ny Sa.mi.a

Mitohy hatrany ny fankalazana ny Krismasy 2022 ao amin’ny FJKM Am­bodihady vaovao Am­bohi­manarina. Mbola ha­natanteraka izany anio ha­riva, manomboka amin’ny 6 ora sy 20mn ny rantsana Sekoly Alahady Mihira Ambodihady (S.a.mi.a). Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hotanterahin’ireto ankizy sy tanora ireto eny an-tsehatra ny fiantsana tononkalo, ny tsianjery, ny « commédie musicale »… […]

« Réveillon 2022 » : Maro isafidianana ny tolotra homen’ireo mpanakanto

Misy maro, arakaraky ny fahefa-manaon’ny tsirairay ny fety hamaranana ny taona 2022 sy handraisana ny 2023. Ankoatran’ireo hisafidy ny hijanona an-trano miaraka amin’ny fianakaviana, ireto misy tolotra maromaro iarahana amin’ireo mpanakanto malaza ,ny alin’ny 31 desambra. CCI Ivato –“Golden Hour” Anisan’ireo fety malaza indrindra hamaranana ny taona ny “Golden Hour”, […]