Hizara ny traikefany i Anjara Rakotozafiarison. “Ahoana nyhitondrana ny anjara biriky amin’ny maha mpitendry zavamaneno?” Anisan’ny hovoaboasan’ity mpitendry gitara ity izany, anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny CGM Analakely. Natao ho an’ireo efa mpitendry matihanina na tsia na mbola mpianatra mozika aza, ny fifanakalozana. Fotoana iresahana ny asa manodidina ny […]
kolon-tsaina
« THB Mifety » : Nafana ny fety roa andro
Fararanon-danonana ny teny Anosizato, ny faran’ny herinandro teo. Na dia antomotra aza vao fantatra ny fisian’ny hetsika, rakotra mpifety ny « THB Mifety » tao amin’ny Santilo, nanomboka ny zoma hatramin’ny sabotsy teo. Mazava loatra fa noho ny fisian’ireo mpanakanto nanafana ny sehatra no antony voalohany. I Samöela no nanokatra izany ny […]
« Ridô – Dévoiler les souvenirs »: Hampiranty etsy amin’ny IFM i Tsiriniaina Irimboahangy
Zavakanto marolafy. Aingam-panahy sy karoka manokana, efa avy narantin’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy tany amin’ny Fondation H Paris, no harantiny indray etsy amin’ny IFM Analakely. I Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy no nahazo ny loka voalohany tamin’ny “Prix Paritana 2024”,andiany fahavalo. Anisan’ny loka azony nandritra izany ny fikotrehana zavakanto tao amin’ny Cité internationale […]
TARATRY ny KANTO
Nizara fisotroan-dronono voalohany ny Omda, omaly. Nisitraka izany ireo mpanakanto mpamorona, mpikambana efa maherin’ny 60 taona. Fotoana nanamafisana hatrany ihany koa ny tokony ho fantatra amin’ny zon’ny mpamorona io. Misy ireo mpikambana vao sambany no nisitraka ny fisotroan-dronono. Anisan’ireo tanàn-dehibe hanana ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy makotroka i Antsirabe. Ny […]
Fampivelarana ny saina sy ny kanto : Mila hamaroina ny seho amin’ny andro atoandro
Rehefa atoandro, miato kely ny asa aman-draharaha sy ny fianarana. Amin’ny andro atoandro, matetika tsy latsaka ny orana raha fotoam-pahavaratra. Atoandro ny andro, fanangonan-kery hiatrehina ny tolakandro… Tombony omen’ny andro atoandro avokoa ireo. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola tafiditra loatra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy ny hiatrika na hijery zavakanto na fialamboly […]