kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy ihany koa isika, omaly. Isaky ny 29 avrily izany, saingy efa herinandro mialoha izao no nisy ny hetsika isan-karazany. Vory tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpisehatra rehetra momba ny dihy: mpamorona, mpandihy, mpankafy, sns. Nanjakan’ny fifanakalozana, nanehoana indray fa kanto tsy misy fefy, […]

Filazantsara an-kira : Manohy ny lalany ny tarika Andon’ny Natiora

“… Sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho” (I Korintiana 14: 15 b). Teny filamatra ho an’ny tarika An­don’ny Natiora, izay nijoro tamin’ny taona 2014, tao Fort-Dauphin io. “Andon’ny Na­tiora, anarana nosafidianay, entina milaza fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny […]

Taorian’ny fahamaizana : Harenina ny Rovan’ Ambohidratrimo

Ny fanjakana no handray an-tanana ny fanarenana ny Rova may. Nisy ny fiaraha-midinika tamin’ireo taranaka eny an-toerana sy ireo mpitan-kasina isan-tsokajiny, ho an’izay fanarenana izay. Fahavalon’ny vakoka ny afo. Indrisy, niharan’ny fahamaizana ny Rovan’i Marovatana, eny Ambohi­dratrimo, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Avy hatrany dia nandray ny fepetra manoloana […]

TARATRY ny KANTO

Hotohizana anio ny « Nofy adala » an’i Babai Lugu. Mbola tsy tafidina tsara avy eny ambonin’ny rahona nisy azy, omaly, izy sy ry Alala ary ny Katsa­katsa, dia hiaraka indray amin’ireo miray nofy ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Amin’ny 7 ora hariva ity fihaonana ity, izay arahina fivarotana kapila, […]