kolon-tsaina

Fifaninanana hatsaram-bika: voahosotra ho « Miss Analamanga 2023 » i Fitia Sonia

Efa fantatra ny solontenan’ny Faritra Analamanga, mandritra ny fifaninanana “Miss Madagascar”. Fitia Sonia no voahosotra ho “Miss Analamanga”, taorian’ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana , ny zoma teo. Tontosa ny alin’ny zoma 23 desambra 2022, teny amin’ny CCI Ivato, ny famaranana ny « Miss Analamanga 2023 ». Niisa 20 ireo tovovavy nifaninana nandritra ny […]

Madagaslam: Mitohy ny hetsika ho an’ ny fikambanana

Zava-dehibe ny fahafantarana ny zava-misy sy ny vitan’ny teo aloha ahafahana manatsara sy manasongadina ny aty aoriana. Izany indrindra no antom-pisian’ny fampirantiana tao anatin’izay fotoana izay. Miditra amin’ny andro farany, hamaranana ny fampirantiana mahakasika ny Slam Malagasy, ny etsy amin’ny Ivotoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola. Tanjona ny hampahafantarana ny […]

Talenta sy fivelarana: azo hararaotina hanalana sakana ny « Fetin’ny Noely »

 Anisan’ny mifamatotra akaiky amin’ny « fety » ireto : hira, dihy. Tsy voatery ho mpanakanto ihany vao afaka manatanteraka ireo amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Maro rahateo ny sehatra ahafahana manatanteraka izany. « Fetin’ny Noely », any an-tokantrano, any am-piangonana, iraisan’ny fianakaviana, sns. Maro ny manan-talenta fa itoeran’ny henatra. Tsy vitsy ireo tokony hipoitra fa tsy […]

Mpanakanto maro no hanafana… Efa lany avokoa ny tapakila amin’ny “Noely Fihobiana”

Seho Noely goavana indrindra amin’ity ny “Noely Fihobiana”. Misy tanjona hotratrariny ny hetsika, ankoatra ny maha  fampisehoana azy. Efa lany mialoha avokoa ny tapakila. Efa fahombiazana mialohan’ny seho ny fahafantarana fa tsy misy intsony ny tapakila. Mikasika ilay hetsika “Noely Fihobiana”, izay tontosaina anio etsy Mahamasina io. Marina fa tsy […]