kolon-tsaina

Seho ampitain-davitra: hizara ny kanto ny Anoka Bà Gasy

Na aiza na aiza, afaka manaraka ny fampisehoana. Fantatra fa anjaran’ny tarika Anoka Bà Gasy indray no mizara ny kantony amin’ny alalan’ny “live streaming”, ny zoma 23 desambra izao, manomboka amin’ny 9 ora alina, ora eto Madagasikara. Tetikasa izay lasa anaran’ny tarika, ahitana an’i Mbola Talenta, Haja Telofangady, Ralanto, Beau­zaka […]

Art plastika : mamarana ranty i Olivia B.

Hiavaka hatramin’ny farany ny fampirantina “Cellules humaines, c’est lui l’humain”. Tanterahina eny amin’ny “Fondation H” Andraharo Antananarivo, ny alarobia 21 desambra 2022, ny lanonana famaranana ny fampirantinan’i Olivia Bourgois, mampiseho ny dingana sy ny lalam-piainan’ny olombelona amin’ny alalan’ny fako. Ireny no natambatr’i Olivia nahazoana singa nandravahana ny fampirantina. Hisy ny […]

FCDR – SR Production : raketina an-tsarimihetsika ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka

Nambara, omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Am­bodivona fa : «Goavana ny tetikasa iarahan’ny tranom-pamokarana horonantsary sy sarimihetsika SR Production sy ny fikambanambe Fonda­tion Céline et Didier Ra­tsiraka (FCDR)». Horaketina an-tsarimihetsika mitohy ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ary vinavinaina ho tafavoaka amin’ny faran’io taona ho avy io ny andiany voalohany. Horonantsary […]

Hiverina an-tsehatra … :“Efa misy tetikasa ato ho ato”, hoy i Lalie

Aman-taonany maro no tsy niaka-tsehatra i Lalie. Tsy niala lavitra tamin’ny mozika anefa izy nandritra izany. Tapa-kevitra ny hiverina tanteraka kosa ity mpanakanto ity amin’izao… “Amin’io seho io no ahitantsika taratra ny tohiny”, hoy i Lalie. Fampisehoana izay hataony ny zoma 23 desambra izao, etsy amin’ny Le Galet Manakambahiny io […]