Misy boky voasoratra amin’ny teny vahiny, adika amin’ny teny malagasy. Ao ny boky amin’ny teny malagasy hadika amin’ny teny vahiny. Mety tsy ho boky iray manontolo koa anefa fa mety ho lahatsoratra na tononkalo iray na roa no adika amin’ny teny hafa. Misy fiantraikany any amin’ny hasin’ny soratra izy ireny. […]
kolon-tsaina
MFF, andiany faha-18 : tontosaina any Mahajanga ny tohin’ny hetsika
Mitohy any Antsanitia, Mahajanga, nanomboka omaly 29 novambra 2023, ny “Madagascourt Film Festival (MFF)”, andiany faha-18. Any an-toerana no hanatanterahana ny lanonam-pamaranana amin’ity hetsika ity, ny 2 desambra 2023. Anisan’ny mampiavaka ny hetsika rehefa any Mahajanga, ny “Ti Kino Gasy”. Eo ihany koa ny fandefasana sarimihetsika eny ankalamanjana. Sahala amin’ […]
F’inn zao e !?! raikitra ny « Cabaret acoustique »
Tafiditra ao anatin’ny lanonan’ny faran’ny taona. Hanatanteraka ny «Cabaret acoustique» miaraka amin’ireo andrarezin’ny fitendrena gitara ny F’inn zao E Production. Alim-pikoranana tontosaina eny amin’ny Espace Concerto Anosiavaratra, rahampitso 1 desambra, manomboka amin’ny 9 ora alina. Amin’ny ankapobeny, «revy glita sy kitonotono» ny endriky ny fandaharam-potoana eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny […]
Tsenan’ny mozika iraisam-pirenena : hiady ny “Prix Découverte RFI 2023” i Aynah
Lalana iray misokatra mankany amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ny “prix Découverte RFI”. Anisan’ireo voasokajy hifaninana amin’ity andiany manaraka ity i Aynah. Saika isan-taona, manana solontena hatrany i Madagasikara. Anisan’ ireo noraisin’ny mpitsara hifaninanana anatin’ny “Prix Découverte RFI 2023” i Aynah. Tarika 60 avy amin’ireo firenena afrikanina maro no nisafidianan’ny mpitsara […]
Fampirantian’i Joel Andrianomearisoa: misitraka voalohany Antananarivo
Tanterahina eny amin’ny Flow Gallery Ivandry, nanomboka ny 25 novambra 2023 hatramin’ny 29 febroary 2024, ny fampirantiana «Le crépuscule des promesses éternelles », an’i Joel Andrianomearisoa. Mpahay kanto manana ny lazany eo amin’izao tontolo izao ity manao seho ranty ity. Araka ny nambarany, eto Antananarivo no anehoana voalohany ity fampirantiana ity mialoha ny hanehoana azy any […]




