Anisan’ny hetsika lehibe, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika aty Afrika, indrindra eto Madagasikara ny “Madagascourt Film Festival”. Miisa 68 ny mpanatontosa navoakan’ny hetsika ary mbola hitohy ny fampiroboroboana ny sarimihetsika afrikanina, indrindra ny Malagasy. Tanterahina ny 24 novambra 2023, hatramin’ny 2 desambra 2023, eto Antananarivo sy any Mahajanga, ny Madagascourt Film […]
kolon-tsaina
fampisehoana “Ô” Théâtre Kala : haneho ny maha izy azy ny Théâtre Kala
Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), ny Alarobia 6 desambra 2023, ny fampisehoana “Ô”, iarahana amin’ny vondrona mpanao Théâtre Kala . Seho an-tsehatra hanehoana ny dihy manana ny maha izy azy avy any amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny izy ity. Ankoatra ny fampisehoana ny talenta sy fahaiza-manaon’ny ankizy ao […]
Hira evanjelika: tafaraka ny andrarezina
Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny hira fitoriana ny Filazantsara sy ny hira evanjelika amin’ny ankapobeny. Hifarimbona hanatanteraka fitoriana an-kira ny antoko mpihira roa anisan’ny andrarezina amin’izany : ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny Tanora Masina Itaosy. Fampisehoana hotanterahina ny alahady 26 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao […]
Rakikira vaovao : hizara ny “Ba gasy mazia romotra” ry Zandry Gasy
Tsy mipetrapetraka. Manohy ny fivoizana sy fampahafantarana ny ba gasy ny tarika Zandry Gasy. Hivoaka tsy ho ela ny rakikira faharoa, arahin’ny tetikasa maro. “Ba gasy mazia romotra”. Fomba fitenin-dry zalahy Zandry Gasy io, izay hanasokajiany ihany koa ny karazana mozika hataony. Noraisina mihitsy ho lohatenin’ny rakikira faharoa, izay hivoaka tsy ho […]
Tranomboky monisipaly : mitohy ny fampiroboroboana ny haikanto
Mitohy eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, anio tolakandro, ny hetsika “Let’s read”, ao anatin’ny Diary Nofy, andiany faharoa. Haikanto mitondra anatra sy fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy no tena mahazo sehatra ao anatin’ity hetsika ity. Tanjona amin’izany ny famerenana ny hasin’ny boky eo amin’ny fanabeazana ny ankizy. Eo ihany koa […]




