Seho anisan’ny mahavariana sy mahasarika olona maro ny « Cirque », raha any ivelany. Mbola vitsy no miangaly azy, indrindra ny matihanina, raha ny eto Madagasikara. Maro anefa ny manantalenta sy mahafehy izany. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fanombohan’ny hetsika iarahana amin’ny Aléa Circus, fikambanana misehatra amin’ ny fanaovana “Cirque”. […]
kolon-tsaina
Seho miavaka : hiaka-tsehatra eny Andoharanofotsy ry Tafaray
Haneho ny talentany eny amin’ny La bella vita, Andoharanofotsy, ny Tafaray. Hotanterahina ny sabotsy izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro izany. Hifanakaiky kokoa ny mpankafy sy ny tarika amin’io fotoana io amin’ny maha “Cabaret” azy. Hitondra ireo hira sy angola gasigasy ary gadona amin’izao fotoana izao izy ireo amin’izany. Eo […]
Fototra avy any Antsihanaka: miangaly ny hira evanjelika ny Groupe Ny Fitia
Hanamarika ny faha-5 taona nijoroany, amin’ny taona 2024 ny Groupe Ny Fitia. Antom-pisian’ny tarika ny hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny talenta ao anatin’ireo mpikambana. Misy ny mampiavaka ny tarika… … Fivoizana ny ôsika mampiavaka ny faritr’Alaotra. Mirona kokoa amin’ny filalaovana sy famolahana ny gadona mihetsika toy ny salegy anatin’ny hira […]
Kolontsaina sy Tantara: angano isan’ny miavaka ny « Mythe d’Ibonia »
Tanterahina eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny sabotsy 25 novambra 2023, ny tafatafa hampahafantarana sy hiresahana ny boky, « Mythe d’Ibonia, le grand Prince » nosoratan’i François Noiret, mpampianatra momba ny haiolombelona, ao anatin’ny hetsika “Café de l’histoire”. Ankoatra ny angano momban’Ibonia, maro ny asa soratra hita ao anatin’ity boky […]
Manandratra ny beko: Mijery lavitra ry Ndaty Lahy
Tsimoramora saingy mandroso. Manohy ny lalany eo amin’ny tontolon’ny mozika ny tarika Ndaty Lahy. Efa mijery lavitra ihany koa, raha tarafina tamin’ny seho izay notontosain’izy ireo ny alin’ny alarobia teo, tetsy amin’ny No Comment Bar, Isoraka. Mivoy sy manandratra ny beko mifangaro gadona maroloko ry Anthony sy ny tariny. Ho […]




