Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampisehoana voalohany, natolotry ny Aléas Circus, ho an’ny vahoakan’ Antananarivo. Karazana tanisa sy tsingeringerina (acrobatie) no tena nampiavaka ny seho. Manan-talenta ary tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany tokoa raha ireto tarika ireto. Anisan’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanazarana ny mpiangaly ity […]
kolon-tsaina
MFF, andiany faha-18 : mihatanora ny mpankafy
Am-periny tanteraka ny “Madagascourt Film Festival” (MFF), andiany faha-18 amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ireo fifaninanana isan-tsokajiny ary efa migadona eto Antananarivo daholo ihany koa ireo vahiny sy tomponandraikitra maro mandray anjara sy hiatrika izany. Ankoatra ny fifaninanana anefa, nampiforona fifanakalozana ara-kolontsaina ihany koa ny hetsika noho ny fisian’ny fahasamihafan’ny […]
«Ihafiako Tour» : hisedra sehatra lehibe i Njara Marcel
Nandalo ny dingana rehetra… Fotoana kosa izao ho an’ny fampisehoana lehibe, raha ho an’i Njara Marcel. Voarain’ny mpankafy tsara rahateo ny vokatra. «Ihafiako». Anisan’ireo hira be mpankafy amin’izao fotoana ity sanganasan’i Njara Marcel ity. Fotoana fohy taorian’ny nivoahany ny faramparan’ny volana oktobra teo, efa milahatra anatin’ireo fandaharana misafidy izay hira […]
«Tsiaro sy tan-tsoroka » : 25 taona ny tarika Tsi-Ahy
Hira fahiny… Tafapaka hatraty amin’ny taona 1950. Anisan’ny mampiavaka ny tarika Tsi-Ahy ny famerenana azy ireny. Feno 25 taona ny nanatontosan-dry zareo izany. tsy ho lalovam-potsiny ity vanim-potoana lehibe ity fa homarihina mandritra ny taona 2024. Hetsika maro no hotanterahina. Hosantarina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny IKM Antsahavola izany […]
Vox Angeli Vivace : hatao ny 29 novambra ny seho
Anisan’ireo seho voatery nofoanana ny an’ny Vox Angeli Vivace, saika notontosaina ny 10 oktobra lasa teo. Vaovao tsara ho an’ireo mpankafy : nahemotra ka hatao ny 29 novambra izao izany. Mandritra ny « Concert classique de midi » andiany faha-143, fanao ao amin’ity ivokolo frantsay ity ihany, saingy hanomboka amin’ny […]




