kolon-tsaina

Kabary – Manda: nivoaka ny andia “Tafita”

Manomboka liana amin’ny resaka lahabolana am-bava ny tanora, ankehitriny. Tonto­sa ny alahady 27 novambra 2022 tetsy amin’ny Sehatra Maitso Analamahitsy ny lanonam-panandratana ny mpianatra ho mpikabary ny Andia “Tafita” nahitana ny sokajy mpiofana sy mpandalina teo anivon’ny fikambanana Man­da. Miisa 132 ny nasandratra ary tanora avokoa ny ankabeazany. Tsara ny […]

Sarimihetsika fohy: hizara ny “Le petit Piaf” i Gerard Jugnot

Mandalo eto Madagasika­ra i Gerard Jugnot, mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika frantsay. Nisy ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, oma­ly. Hizara sy hampahafantatra ilay sarimihetsika novokariny, “Le petit Piaf” izy, izay alefa ao amin’ny Cinepax Ambodivona, ny 27 desambra ho avy izao. Mitantara ny fiainana […]

“African Championship breaking”: nisongadina ireo mpandihy hip-hop malagasy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay hetsika fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny dihy hip-hop. Tsy mena-mitaha ireo mpandihy malagasy nandray anjara, izay nametraka fa manana ny toerany ny hip-hop eto. Antony nanomezam-boninahitra ireo mpisehatra izany… Lasan’ny Malagasy avokoa ny laharana telo voalohany teo amin’ny sokajy “B –Girl”. Voalohany i […]

Antsa sy boky: niavaka ny seho “Rohin-kalo”

Nitondra ny “Rohin-kalo” an-tsehatra ry Hanitra olive, Nirihaja, Soambinintsoa. No­tanterahina tetsy amin’ny CGM Analakely, ny asabotsy 26 novambra teo izany, nanomboka amin’ny telo ora tolakandro izany. Fahombia­zana ny seho “Rohin-kalo”… Nahasarika mpankafy literatiora maro, ary niavaka ny rindran-tsehatra sy ny herim-panehoana tamin’ity fampisehoana ity. Ankoatra ny seho an-tsehatra dia nisy […]