« Ny zava-misy no fandrisika voajanahary ho an’ny aingam-panahy », hoy i Zo Maminirina, poeta sady mpanoratra. Isaky ny mandia vanim-potoana iray ny talenta, misy mipoitra hatrany. Rehefa mety ho asa famoronana, ahitana azy io avokoa. Lehibe indrindra amin’izany ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mafampana, ohatra, ny tontolo politika. Misy poeta na […]
kolon-tsaina
Orinasa Manoova : mitohy ny famoahana vokatra vaovao
Notanterahina, omaly, teny Ankorondrano, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny « Cart’in », vokatra vaovaon’ny orinasa Manoova. « Efa miaina tanteraka miaraka amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ankehitriny. Izany indrindra no hanaovana famokarana isan-karazany, ho fampidirana ny Malagasy ao anatin’izany zava-misy iainan’izao tontolo izao izany », hoy Rajaonarivelo Rado, talen’ny Manoova. Nitombo […]
“Festival international de danse Sagam”: solontenan’i Madagasikara i Julie Arisoa
Efa nitety hetsika iraisam-pirenena maro momba ny dihy na i Julie Arisoa na ilay sanganasany. Andrasana any amin’ny Sagam any amin’ny Nosy Maorisy indray izy, ny zoma izao. Hiditra amin’ny andiany fahenina ny « Sagam ». Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny dihy ankehitriny izy ity, izay tontosaina atsy amin’ny Nosy Maorisy, amin’izao fotoana […]
Madagascourt Film Festival : handray anjara amin’ny hetsika ireo vahiny
Nitombo hatrany ireo manam-pahaizana sy andrarezin’ny horonantsarimihetsika handray anjara amin’ny Madagascourt Film Festival, andiany faha 18. Teratany vahiny telo, samy manana ny mampiavaka azy, ary sangany eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika ny hitondra ny traikefany sy fahaiza-manaony, ao anatin’ity andiany faha 18, atao ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, […]
“Hasambarana iray felatanana” : hitondra teatra poetika i Nirihaja sy ny Volivolana
Amboaran-tononkalo, rakikira fihaino ary teatra poetika no indray mitambatra anatin’ny “Halo Project”. Indray ampahafantarin’ny mpanoratra Nirihaja sy ny Volivolana sabotsy izao izany. Teatra poetika. Raisina amin’izay fanagasiana izay aloha ny “théâtre poétique”, mandra-pisian’ny dikanteny malagasy. Endri-tseho tsy mahazatra firy, satria ny tononkalon’ny mpanoratra iray no lalaovina an-tsehatra toa ny teatra. […]




