Hanomboka ho hita eny amin’ny trano famakiana sy fivarotana boky, ny tapaky ny volana novambra 2023, ny bokin’angano «Amboaran’angano-Recueil de contes», notontosain’i Arikaomisa Randria sy i Max Razafindrainibe, niara-niasa tamin’ny edisiona Jeunes malgache. Ny kilonga madinika no tena kendrena amin’izay vokatra izay. Amin’ny teny malagasy sy frantsay ity bokin’angano ity […]
kolon-tsaina
Fakafaka: …Maty hasina !
« Adilahy politika », « Fifandirana ara-politika »… Politika, …Politika… Politika ! Tena izay tokoa ve no mahazo ity Nosin-drazana ity ? Raha mba misokatra kely ilay fomba fijery dia any amin’ny “famatsiana iraisam-pirenena”, “mpamatsy vola iraisam-pirenena”, “orinasa afakaba”… Izany hoe, raha faran’izay lasa lavitra indrindra, any amin’ny resaka […]
Fampivelarana ny teny malagasy : 20 taona ny hetsika « Soratononina »
Tsy ny eto an-toerana ihany no mahatsiaro ny fahasimban’ny teny malagasy fa ny any ivelany ihany koa. Mandray andraikitra ny fikambanana Kolo Malagasy ka manatanteraka ny « Soratononina » tao anatin’izay 20 taona izay. Taona 2002, noforonin’ Itompokolahy Jarisoa Rakotoarivelo sy i Mamy Randrianarivony ny Kolo Malagasy . Taona 2003, […]
Fondation H : mitombo ny fotodrafitrasa ho an’ny haikanto
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano famakiam-bokin’ny Fondation H, Ambatomena. Ivontoerana anisan’ny manome lanja sy mampiroborobo ny haikanto sy ny kolontsaina maro samihafa. Mampiavaka ity fotodrafitrasa vaovao ity ny fanasongadinana ireo asasoratra mahakasika ny haikanto ankehitriny. Maro ireo mpahay kanto niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana ity efitrano […]
Farakely sy Rija R. : hamelona ny hiran’ i Bessa sy i Lôla
Maro ny karazan-tseho nanaovana ny sanganasan’i Bessa. Iray amin’ireny ny hotontosaina ny alarobia 1 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. «Ny kanton’i Bessa sy i Lôla, hokaloin’i Rija Ramanantoanina sy i Farakely », no lohahevitra nosafidin’ny mpikarakarara. « Hevitra avy amin’ny mpikarakara manontolo izy ity. Nosafidin’izy ireo […]




