kolon-tsaina

Slam- Humour- Rap : mampivoatra mpahay kanto maro ny « Slumourap »

Hetsika mamondrona ny mpiagaly Slam sy hatsikana ary Rap ny “Slumourap”. Ireo vao misandratra eo amin’ireo haikanto ireo no tena mahazo tombony amin’ity hetsika ity. Misy ihany koa anefa ny fizarana ataon’ireo efa kalaza eny antsefatsefany eny. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny dingana fifanitsanana amin’ny “Slumourap”. Hetsika […]

« Miss & Mister malagasy 2024 »: hisolo tena ny diaspora i Andy sy i Stéphanie

Voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana “Miss & Mister malagasy 2024”, i Andy, teo amin’ny “Mister malagasy 2024”, ary i Stéphanie Floriane, teo amin’ny “Miss malagasy 2024”. Raha tsiahivina, ny alin’ny sabotsy teo no nanatanterahina izany lanonam-pamaranana izany, tao Paris, Frantsa. Ny fifaninanana natokana ho an’ireo tanora monina ao Eoropa. Araka ny […]

Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona: andalana ny fankatoavan’ny komity iraisam-pirenena ny hiragasy

Lava ny dingana! Fa vaovao mahafinaritra hatrany kosa, satria miroso mankany amin’ny fankatoavana ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy. Vaovao lehibe ho an’ny kolontsaina malagasy. Manolo-kevitra ny hankatoavan’ny komity iraisan’ny Governemantan’ireo firenena mikambana amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana sy fiarovana ireo Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny fampidirana ny hiragasy […]

Randrianalison Herizoa : hitondra ny « Olom-pirenena mahay tantara »

Hotontosaina, anio, eny amin’ny foiben’ny arisivam-pirenena Tsaralalàna, ny valandresaka iarahana amin-dRandrianalison Herizoa, nampitondraina ny lohateny hoe « Olom-pirenena mahay tantara ». Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ny « Hetsika 2023: Atrikasa » izao valandresaka hitondrany lohahevitra vaovao izao. Ny hetsika izay manana tanjona hamerina ireo maha izy azy ny Malagasy ary tafiditra ao anatin’izany ny […]

Fahaizana mitendry piano: raikitra ny fifaninanana « Cnapmada »

« Concours national de pia­no à Madagascar » na « Cnapmada ». Fifaninanana fahaiza-mitendry piano, ny 3 avrily ka hatramin’ny 5 avrily 2024. Afaka mandray anjara ireo mpitendry piano latsaky ny 26 taona. Sokajiana ho roa izy ireo. Sokajy voaloha­ny misafidy amin’ny: « Inter­mez­zo op119 N°2 » (Brahms), na ny « Malagueña » (Lecuona), na ny « Prélude en […]