kolon-tsaina

kaompania Sahhaf: nanolotra seho maroloko

Tontosa omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny seho an-tsehatra maroloko, niarahana tamin’ny kaompania Sahhaf’ Z’art soa. Ny tantara Mumbà no nentin’ity kaompania ity nanafana ny sehatra. Maro ny mpankafy tonga nianoka izany seho an-tsehatra izany, anisan’izany ireo mpankafy teatra. Tsika­ritra fa miha mahazo vahana ary mihatanora ny mpiangaly sy mpankafy […]

Aft Andavamamba : manandratra ny mpahay kanto ny « Slumourap »

Tontosa teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), ny hetsika “Slumourap”, ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo. Tonga maro namaly ny antson’ny mpikarakara ireo mpankafy sy mpandray anjara. Raha tsiahivina, Slam sy hatsikana ary Rap, izay natambatra tao anaty seho iray no natao tamin’ity fotoana ity. Tanjon’ny hetsika ny hanome sehatra […]

Misaona indray ny zavakanto: nodimandry i Ndrematoa, andrarezin’ny tantara an-tsary

Iza re no hampitoviana aminy? Angamba tsy misy fa tena andrarezina tokoa i Ndrematoa, teo amin’ny tontolon’ny sariitatra sy ny tantara an-tsary. Nametraka tanteraka ny pensilihazo ka lasa any amin’ny mandrakizay izy… Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha-67 taonany Rakotonomenjanahary Razanakolona Dieudonné, fantatry ny […]

Satria very ny fototra: mampanahy ny hoavin’ny hira malagasy

Nanome lanja ny tononkira ny Malagasy. «Fahiny izany», hoy ny tanora ankehitriny. Raha io lafiny iray io (tononkira) no tomorina akaiky, maro amin’ireo hira fahiny no hifanipaka amin’ny heno amin’izao vanim-potoana izao. Fifan­donana azo adika ho tsy fitoviam-pijery eo amin’ny zoky sy ny zandry, raiamandreny sy zanaka, sns. Feo voajanahary, […]

« Malagasy Mankany » Iadian-kevitra etsy amin’ny IKM

Nitondra fanovana teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny «Malagasy mankany». Notontosain’i Haminiaina Ratovoarivony, tamin’ny taona 2012 izy ity, ary nahafeno ny fepetra toa ny sarimihetsika vahiny. Nosafidiana manokana ny «Malagasy mankany», halefa sy hiadian-kevitra mandritra ny «S-Art Mihetsika : Ciné-club IKM”, izay hotontosaina ny sabotsy 18 novambra izao, manomboka amin’ny […]