Nivoaka tamin’ny fiandohan’ity volana novambra ity ny vaovao tsara ho an’i Luck Razanajaona, mpanatontosa sarimihetsika. Nitombo indray ny vatsy azony, avy amin’ny tetikasa « Fonds pour la jeune création francophone », tamin’ny alalan’ny horonantsary « Mia » notontosainy. Vatsy mitentina 11 000 euros no azony vokatr’izany. Raha tsiahivina, horonantsary nataona tanora mpanatontosa afrikanina, miisa 13 […]
kolon-tsaina
Harem-bakoka ravan’ny afo…: tranainy indrindra ao Antsahadinta ny tranon-dRabodozafimanjaka
Nisy fahamaizana teny amin’ny Rovan’Antsahadinta, ny alin’ny alarobia teo. Tsy nisy noraisina ny tranon-dRabodozafimanjaka sy ireo fanaka mbola voatahiry tao. Avotra kosa ny mozea sy ireo singa hafa mandrafitra ny Rova. “Ny 1 novambra tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, may ny tranon-dRabodozafimanjaka, vadin’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ao anaty […]
« Anim’Ato Mada »: efa miatrika ny fiofanana ireo voafantina
Nisokatra nanomboka ny 30 oktobra 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny 15 desambra 2023, ao Antsanitia Mahajanga, ny « Anim’Ato Mada ». Ny fikambanana « Rencontres du Film Court de Madagascar » no mikarakara ny hetsika. Fampiofanana izay natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika aty Afrika. Tanjona ny haha matihanina ireo […]
Hiragasy Goavambe : hifanandrina Rainitelo sy Raveloson
Raikitra ! Hifanandrina etsy amin’ny Kianjan’ny kanto Imahamasina ny tarika roa lehibe eo amin’ny tontolon’ny hiragasy. Alahady 5 novambra izao, « Hiragasy Goavambe ». Samy haneho ny traikefa matanjaka ananany eo imason’ny mpijery ny tarika Rainitelo Andohavary sy Raveloson Arivonimamo. Ho an’ny mpitia hiragasy : « ady mangotraka tsy fahita firy ny tahaka izao. Aleo […]
Fomba Betsimisaraka : mampiray ny fianakaviana ny “Avan-drazagna”
“Avan-drazagna”, izay mifanandrify amin’ny fetin’ny maty. Fetibe ary fotoan-dehibe tokoa ho an’ny Betsimisaraka io, rehefa voalohandohan’ny volana novambra toa izao. Maneho fa tsy manadino ireo efa lasa, kanefa koa mandrary ny fihavanana eo amin’ny velona… Mahoraka toa ireny fetim-pirenena na fetin’ny faran’ny taona ireny ny voalohadohan’ny volana novambra, any amin’iny […]




