Tontosa soamantsara ilay seho lehibe notanterahin’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Tsy hijanona ela fa hitohy avy hatrany eny Vontovorona izany, ny alahady 16 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fampisehoana hotontosaina ao amin’ny « Aumonerie catholique universitaire de Tananarive (Acut) ». Ireo sanganasa fiderana […]
kolon-tsaina
Oloben’ny kolontsaina sy ny serasera ; Nodimandry i Julien Rakotonaivo
Akademisianina, mpahay tantara, mpampianatra mpanabe, mpanao gazety, mpanoratra ary nitana andraikitra ambony maro teto amin’ny firenena. Maro ny azo resahina momba an’i Julien Rakotonaivo. Namela mamy ho an’ny firenena izy. Lavo ny andrarezina… Tsy fomba fiteny fotsiny izany eto fa tena mahalaza ny zava-mitranga. Nodimandry omaly mantsy i Julien Rakotonaivo, […]
TARATRY ny KANTO
Raha samy hamerina ihany, aleo hajaina ny fototra. Amin’ny zavakanto, sarotra (na tsy hisy mihitsy) ny hitovy tanteraka. Na izany aza, misy ny fototra. Mila hajaina ireny. Ny hira, dihy, ohatra, manana ny fotony. Raha io no niova na nokitihina, maro ny fiovana aterany. «Ry lanitra mangamanga ô», ohatra, no […]
Mila haverin-kasina : Maro ny teny malagasy niova hevitra
Lasa aiza ny rainareo? Lasa niasa izy! Na ny tany hasaina aza tsy misy akory. Rakoto rahateo tsy nankany an-tsaha fa handeha any amin’ny biraony. Maro ny teny malagasy nanjary niova dika na hevitra tahaka izany. Manomboka voatohintohina ny hasin’ny teny malagasy. Fahiny, raha miteny hoe «asa», tsy afa-misaraka aminy […]
Olombelo Ricky: « Efa nihoatra ny 45 taona ny nanaovana mozika… »
Nanamarika fiainan’olona maro koa ny hiran’ny Olombelo Ricky. Hotsarotsaroana mba hitoetra izy ireny, mandritra ilay seho etsy Mahamasina. «Efa ela loatra…». Fotoana elaela izay no nivoahan’ny afisy mbola tsy feno, ka nifampanontany ny rehetra hoe inona ity fampisehoana ity? Efa fantatra taty aoriana fa fampisehoan’ny Olombelo Ricky, izay hotontosaina ny […]