kolon-tsaina

Vondrona Eoropeanina : Nomena ny « Loka Shuman » ry Rajery

Fankasitrahana ny zava-bitan’ireo mendrika, avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny “Loka Schuman”. Maromaro ireo malagasy nisitraka izany, ka anisany Rajery. Fankasitrahana iray fa­nampiny, ho an-dRajery. Efa maro ny nampisongadina ity mpanakanto ity teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, saingy mbola niampy iray izany, omaly. Anisan’ireo malagasy nisitraka ny «Loka Schuman», avy amin’ny Von­drona […]

Taorian’ny « Pitik’afon-kabary » : Namoaka ny boky kabary « Aharihary » i Ny Rian’ala

Tsy toy ny boky kabary rehetra! Izay no azo ilazana ny boky Aharihary, nosoratan-dRamarolahy Maholy Nirilala na Ny Rian’ala. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, nandritra ny famaranana ny «Tsenaben’ny boky», ny sabotsy teo, ity boky kabary hafa amin’ny boky rehetra mirakitra ny fomba sy ny fanao nentin-drazana […]

Ba gasy mazia romotra : Nametraka ny toerany ny Zandry Gasy

Katroka ny tamin’ny 3 ora, niakatra ny sehatra ireo mpitendry. Vaovao amin’ny mpankafy satria tsy Zandry Gasy izy ireo, saingy nantsoina manokana handoko iny seho omaly, tao amin’ny CCesca Antanimena iny. «Afindrafindrao» na­tao sodina, angorodao, lokanga sy amponga, nampiditra sy nanome ny lokon’ny seho… avy dia ny «Kidaombaramita» no nanohizan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Ho vahin’ny tarika Zandry Gasy i Beauzaka, Ralanto, ny tarika Vetsonkira ary Inah. Mandritra ilay seho izay hatao rahampitso, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Mazava ny nisafidianana ireo vahiny, satria efa mpiara-mitsikombakomba tanaty mozika niaraka tamin’ny tarika ireo, nandritra izay 15 taona izay. Na izany aza, hibahana amin’ny seho ireo […]