Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny «Lohavogny 2026 ». Natao tao amin’ny zomban’Andriamisara izany, izay notarihin’ny Ampanjaka Kamamy Georges. Fomba nentim-paharazana izay notohizan’ny taranaka izy ity any Menabe, izay natao indrindra hanomanana ny « Fitampoha » manaraka, ka nanaovana ireo fanao toy ny famonoana omby, sns. Nivoaka nandritra ny «Lohavogny» ihany […]
kolon-tsaina
Tarika Kiaka : Mipetraka amin’ny lazany, 40 taona aty aoriana
Nangoro-mainty ny lapa… Mpankafy rock, fa indrindra mpiondana ny tarika Kiaka ireo nameno azy, omaly. Mbola mitoetra ny lazan’ny tarika. Niteny ny traikefa. Traikefa niampy talenta. Talenta be mpankafy ka hipoka ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, omaly. Tao ny lava volo, mitafy mainty ny ankabeazany, misalotra hoditra hatrany am-paladia… Tsy tanora […]
Havàtsa-Upem – Volan’ny teny malagasy : Hanomboka anio ny Atrikasa 2026 fanoratana
Iray amin’ireo hetsika mampiavaka ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem ny fanatanterahana atrikasa mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ao anatin’izao «Iray volana anandratana ny teny malagasy» izao, hanatontosa ny «Atrikasa 2026 fanoratana» ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana ny teny malagasy ity. Hiompana amin’ny famakafakana asa soratra (Essai […]
Fanja Andriamanantena : Hisy zava-baovao ny « Mozika Tsotra izao »
Andiam-pampisehoana, miompana manontolo amin’ny sanganasan’i Fanja Andriamanantena, ny « Mozika tsotra izao ». Hafa indray ny fisehon’ny andiany manaraka eo. Manohy hatrany ny mozika izy… Ny fiakarana an-tsehatra kosa tsy hanao toa ny efa vitany taloha intsony i Fanja Andriamanantena. «Hanomboka pejy vaovao indray…Raha izaho dia tsy hahavita hiaka-tsehatra intsony, […]
Faribolana Sandratra : Hanatontosa ny “Hadimiana Sandratra”
Tsy ataon’ny Faribolana Sandratra mandalo fotsiny ny Iray volan’ny teny malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy ry zareo, mandritra ny dimy andro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny 8 ka hatramin’ny 12 jona izao. “Hadimiana Sandratra” rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika hatao amin’ireo fotoana […]





