kolon-tsaina

Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha

Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehi­triny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Na­tambany, ohatra, ny kesika sy ny […]

Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra

Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny. «Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fi­haonany tamin’ny mpanao ga­zety tetsy amin’ny Yas Anala­kely. Efa andro ma­romaro no eto ity […]

TARATRY ny KANTO

Faha-100 taonan’i Clarisse Ratsifandriha­manana. Hisy ny antsa tononkalo, izay hatao anio amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Ireo aingam-panahin’ity mpanoratra ity, izay tsy mbola nivoaka, tsy mbola fandre no antsain’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem mandritra izany. Nodimandry i Nicolas Star, mpanakanto zanak’i Fenoarivo Atsinanana, araka […]

T.Love andiany faharoa : Lasan’i Nasandratra sy i Harinala ny amboara

Tafiditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana « T.Love », hitiliana izay manan-talenta amin’ny filalaovana tantara faheno amin’ny Radio (Tantara an’onjampeo). Lasan’i Nasan­dratra sy i Harinala ny amboara tamin’ity hetsika karakarain’ny Tapaporohana Production ity. Tontosa ny 18 avrily teo, tao amin’ny JB Amboditsiry ny fanolorana ny fanomezana avy amin’ny JB Madagascar. « Chèque Cadeau […]