kolon-tsaina

Mozika malagasy : hitondra fivoarana sy fandrosoana ny “Moozik”

Vokatra voalohany manome lanja ny Malagasy mpanakanto ny “Moozik”. Samy hahazo tombony amin’ity tetikasa ity na ny mpanakanto na ny mpankafy na ny sehatry ny mozika malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny lanonana fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny “Plateforme Moozik”. Kara­zana tambajotran-tserasera ahafahan’ny mpankafy mozika mihaino ireo hira […]

« Opération Bokiko » : miditra amin’ny andiany faharoa ny “Tsenaben’ny boky”

Hotanterahina ny 22 sy 23 septambra 2023, eny An­driam­pamaky, ny hetsika “Tsenaben’ny boky”, andiany faharoa. Ny “Opération Bo­kiko” miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka aminy no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana maro samihafa manodidina ny vaky boky sy ny literatiora no handravaka ny roa andro hanaovana ny hetsika. Fana­tonana sy fampirisihana […]

Fakafaka: Ny todin’itsy, misy !

  Toa tsy mba afak’olana mihitsy i Madagasikara ? Marina izany, satria, maro loatra ny olana nambolena teto. Samy nanondraka sy nanisy zezika ireny olana ireny ireo namafy ny voa. Iray amin’izany ny Frantsay mpanjakazaka an-ta­nin’olona. Niteraka olana goavana be, ohatra, ny fanisihina tao an-tsain’ny Malagasy fa « vanim-potoana maizina no nodiavin’ny […]

Mpikabary Katolika: namoaka ny andiany Md Paoly ny Mpikalo

Tontosa ny sabotsy 16 septambra 2023, teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ny famoahana ny Mpi­kalo (Mpikabary katolika), andiany faha-18, andiany Ma­sindahy Paoly. Niisa 561 ireto andiany avy eto amin’ny diosezin’Antananarivo ireto. Reny mpiahy azy ireo Rako­tondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Mitohy hatrany ny fampianarana, ary tanjona ny […]