Tontosaina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 20 septambra 2023, ny valandresaka manodidina ny hetsika «Festival Temps Fort Danse». Hetsika izay efa nifarana ny sabotsy lasa teo. Fifampizarana eo amin’ny rehetra no tanjona ao anatin’ity valandresaka ity. Ho hita ao avokoa ireo nandray anjara tamin’ny hetsika ary […]
kolon-tsaina
AdY Hiragasy : manomboka mahaliana ny tanora ny hetsika
Mitohy hatrany ny ady hiragasy, isaky ny alahady. Manomboka liana amin’izany ny mponina eto an-drenivohitra, indrindra ny tanora. Mitombo, manaraka izany, koa ny ezaky ny mpikarakara. Tontosaina eny amin’ny Kianjan’ny Hiragasy, eny Ampefiloha, isaky ny Alahady tontolo andro, ny ady hiragasy, ifanandrinan’ireo tarika maro samihafa. Hatramin’izay nisokafan’ny kianja, tsikaritra ho […]
« Slam nationale 14 » : vahinin’ny hetsika i Nicolas Séguy
Hotanterahina ny 29 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’i Nicolas Séguy, teratany Frantsay mpitendry Piano. « Concert Piano Voix », io no lohatenin’ity seho goavana iarahana amin’ity mpitendry zavamaneno vahiny ity. Ny Madagaslam no mikarakara ny hetsika ary tafiditra ao anatin’ny « Slam nationale 14 ». […]
CGM/GZ: hiaka-tsehatra ry Sarandra Beloba
Mifanao fotoana, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM/GZ) ny mpitia zavakanto sy ny tarika Sarandra Beloba. Ireo hira na gadona avy any amin’iny Faritra Anôsy iny no hoentin’izy ireo eny an-tsehatra. Misongadina ao anatin’izany ny mangaliba sy ny katreaky. Anisan’ny lalan-kizoran’ny Sarandra Beloba ny […]
Kilalaon-tsaina malagasy : mirakitra zavatra maro ny fanorona
Mitaiza ny saina sy afaka atao paikady entina miaina amin’ny fiainana andavanandro ny fanorona. Mihatakon’ireo kilalao vahiny sy taty aoriana anefa izy ankehitriny. Tsy mikely soroka fa efa ao anatin’ny ezaka fameloma-maso izany ny tomponandraikitra. Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, manomboka ny 23 septambra 2023, ny fampianarana fanorona sy […]




