Zoma Finaritra. Tanterahina eny amin’ny IKM Antsahavola, anio tolakandro, ny hetsika « Zoma Finaritra ». « Slam Session », iarahana amin’ny MST, no handravaka izany amin’ity anio ity. Raha tsiahivina, misokatra ho an’ny mpahay kanto rehetra ity hetsika ity, ho fanomezana sehatra azy ireo. “Ny lanitra sy ny fianakaviany”. Hivoaka eny amin’ny edisiona MBM, […]
kolon-tsaina
Michèle Rakotoson: “Tsy ampy tohana ny Malagasy mpanakanto”
Araka ny nambaran’i Michèle Rakotoson, Malagasy mpanoratra nandrombaka ny « Prix Orange du livre en Afrique 2023 », tsy vitan’ny talenta sy aingam-panahy fotsiny ny fanoratana fa ilana finiavana sy fahavitrihana ary fahazotoana koa. Hampifanarahana ny haikantony amin’ny sivana sy fitsipika mipetraka eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ny Malagasy manana talenta […]
Dihy ankehitriny: fahombiazana ny « Festival Temps Fort Danse »
Hifarana rahampitso ny hetsika goavana eo amin’ny dihy ankehitriny, natao teny amin’ny IFM Analakely, nandritra ny telo herinandro. Ankoatra ny fampisehoana, hetsika maro no nentina nandravahana ny « Festival Temps Fort Danse ». Fotoana ihany koa nahafahan’ireo mpisehatra eo amin’ny dihy ankehitriny nifanakalo traikefa sy fahaiza-manao. Mbola maro ny hetsika ao anatin’izao […]
Hosodoko: nizara ny tsiambaratelony ireo matihanina
Tontosa omaly, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny tafatafa niresahana ny mahakasika ny sary hosodoko sy ny tontolony, niaraka tamin’i Pety Rebely sy mpaha kanto samihafa, misehatra eo amin’ny fanaovana sary hosodoko. Resadresaka tafiditra tao anatin’ny hetsika « Ensemble, rendez-vous », iresahana ny mahakasika ny haikanto sy ny tontolony izy ity. […]
Vanim-potoana ankehitriny: takon’ny politika ny kolontsaina
Toa tsy misy afa-tsy politika sisa ny resaka ! Hatreto aloha, tsy mbola nisy mpanakanto na mpikarakara fampisehoana, nanemotra na sanatria nanafoana ny fandaharam-potoana hanatanterahiny izany. Misy hatrany ny seho, ny ranty, ny varotra fampirantiana, ny fifanakalozana traikefa na ny atrikasa, sns. Na izany aza, takon’ny politika ny kolontsaina. Saika isaky […]




