kolon-tsaina

Mozean’ny saripika : Hasongadina ireo vehivavy nanamarika ny tantara

« Femmes, Audace, Héritage: Portrait ». Izay ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hotontosaina ao amin’ny Mozean’ny saripika eto Madagasikara eny Anjohy. Hanomboka ny 12 marsa izao izy ity, ka amin’ny 12 ora ny fanokafana. Hanason­gadi­nana ireo vehivavy izay nana­marika ny tantaran’i Mada­gasikara ny tena tanjon’ny fampirantiana. Manomboka any amin’ireo mpanjakavavin’i Madagasikara, mandalo […]

Zara sehatra Bagasy : Omena laka ny hiran’ny taona 60

Hotanterahina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Espace Aro Antsahavola, ny Zara sehatra, iarahana amin’ny Sehatra Bagasy (SBG). Omena lanja lehibe ny fandraisana anjaran’ny rehetra. Hahazo laka kosa ireo hira malagasy nanana ny lazany tany amin’ny taona 1960. Anisan’izany ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, JJTseheno, Rasamoelijaona, Ramaroson Wilson, […]

Fomba amam-pahendrena malagasy : Misokatra ho an’ny rehetra ny foibe MA.I.HA

Anisan’ny foibe ivondronan’ireo mpikaroka sady ahitana voka-pikarohana maro rahateo ny MAIHA. Omaly no nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ny fisokafany ho an’ny rehetra. Misokatra ho an’ny rehetra ny foibe Malagasy Iray Hasina na MAIHA. Ivontoerana hikarohana sy handalinana ny fomba amam-pahendrena malagasy. Ani­san’ny nisongadina io nandritra ny fampahafantarana momba ity foibe […]

TARATRY ny KANTO

Mandalo an-tanindrazana i Voahirana. Hisy ny fiaraha-midera miaraka aminy, izay hotontosaina anio manomboka amin’ny 5 ora sy sasany, etsy amin’ny Pietra Analakely. Hanotrona an’i Voahirana mandritra izany ny tarika Antsa an’i Kristy, izay efa nisy azy. Eo koa i Rojo Ny Avo sy i Lovatiana. Efa niatrika ny famerenena niaraka […]

Iray volan’ny teatra: Hisy hetsika maro hotontosaina

Na mitsipozipozy aza, tsy maty ny teatra eto Madaga­si­kara. Mbola eo ireo mpise­hatra miezaka mampiaina izany sehakanto izany, na dia sahirana eo amin’ny efitrano hiseharana aza. Hanamarika ny Iray volan’ny teatra, fanao isaky ny volana marsa isika. Hetsika maro no hotontosaina mandritra izany, ka anisan’ ireo manana fandaharam-potoana maro indrindra […]