Lasa nanohy ny fianarany any ivelan’i Madagasikara i Voara, fantatry ny maro amin’ny fananana ilay feo manga sy avo ary feno angola. Iray amin’ireo mandrafitra ny tarika Fangia Kalo Gasy izy. “Tsy midika ho fitsaharan’ny tarika amin’ny fivoizana ny kalon’ Imerina akory izany”, hoy i Fifi, rain’i Voara sady miantsoroka […]
kolon-tsaina
« Festival des baleines »: Kolontsaina, ho tosika ho an’ny fizahantany
Manodidina ny volana jolay eo ny fandalovan’ireo trozona aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Any amin’ny Nosy Sainte Marie no tena mahita maro azy ireo, isan-taona, ka amin’izay koa no mahabe ny mpizahatany. Ho fanomezana tosika izay fahatongavan’ny vahiny izay indrindra no nanaovana ny « Festival des baleines ». Hatao ny 11 hatramin’ny 19 […]
TARATRY ny KANTO
Be mpankafy ny tantara an’onjampeo, ka maro toa izany koa ireo te hilomano anatin’ity seha-kanto iray ity. Niisa 19 mianadahy ireo niatrika fiofanana momba izany, tany amin’ny faritra Ihorombe, ny faran’ny herinandro teo. Ny lafiny famokarana sy fanatontosana no tena niompanan’ny fiofanana izay natao tao amin’ny Tosik’Art, ao Ankily, Ihosy. […]
Sarimihetsika : Nomen-danja ny famoronana
“Mba hahazoana vokatra misy kalitao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena”. Tanjona lavitra ezaka izay, kanefa efa mirona mankany ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto amintsika. Nisy ny atrikasa roa izay natokana ho an’ny famoronana anatin’ny sarimihetsika, tetsy amin’ny IFM Analakely. Mahakasika ny fanomanana horonantsary lava ny voalohany, niarahana tamin’ireo mpisehatra avy […]
Volan’ny teny Malagasy : Hanomezan-kasina ny kolontsaina ny « Hadimiana Sandratra »
Iray amin’ireo hetsika lehibe manamarika ny « Iray volan’ny teny malagasy » ny « Hadimiana Sandratra » nosokafana, omaly. Fotoana anomezan-kasina ny kolontsaina malagasy raha ny fandaharam-potoana sy ny hetsika hotanterahina. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana sy fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », nosokafana, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (efitrano Dox), ilay hetsika « Hadimiana Sandratra », […]





