kolon-tsaina

« Tsapiky Festivaly »: Fandresena hoan’i Toliara sy ireo mpanakantony

Fotoan-dehibe, sambany nanandratana endri-kolontsaina mampiavaka ny faritra atsimo ny « Tsapiky Festival ». Nandihy tsapiky ny iray kianja tao Andaboly, Toliara… Nanomboka tamin’ireo vahoaka nanotrona, ireo manam-pahefana isan’ ambaratongany ka hatrany amin’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika, samy ni­tsangana nipikelika avokoa. Ny anton’ny « havoria », ny fanolorana ny gadona tsapiky […]

TARATRY ny KANTO

Tsy mbola resy lahatra amin’ny fianarana zavakanto ny Malagasy. Matetika, mijanona hatreo amin’ny fananana talenta ny Malagasy. « Mahay » no ian­tsoany ny olona afaka mamorona, mitendry, mandihy, mihira, sns, ka mahadona ny fony. Rehefa mikarantsana ny feom-baliha mihira ny « Mandihiza Rahitsikitsika », midika izay fa « mahay » ilay mpitendry. Mahavariana ny vahiny amin’ny […]

Antoko mpihira : 30 taona ny “Voix de Sainte Therese” Ivato

Hosokafana ny alahady izao ao amin’ny Ekar Mb Te­re­zin’i Jesoa Zazakely, Ivato ny faha-30 taonan’ny antoko mpihira «Voix de Sainte The­rese – VST». Homarihina amin’ny alalan’ny eokaristia Masi­na izany sady itondrana am-bavaka ny fikambanana amin’izao. Hitohy amin’ny antsam-panahy iarahana amin’ny «Voix du Car­mel» Itaosy izany ny tolakandro, ao amin’ny fi­angonana […]

« Tsapiky Festivaly » : Tarika maherin’ny 40, roa andro tsy ankiato

Misomebiseby i Toliara. Ela no niandrasana ny hetsika «Tsapiky Festivaly », anio sy rahampitso. Sambany ! Tsy mbola nisy hetsika lehibe toa ity teto Toliara, hoy ny namba­ran’ireo tomponandraikitra. Rariny raha goavana, satria natao hanolorana amin’ ny fomba ofisialy ny maha harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco, ny […]

Tarika Hasina : 30 taona nizarana hira mampihetsi-po

Sonian’ny tarika Hasina ny hira mandona fo. Nankafizan’ny maro ny sanganasan’izy ireo izany, nandritra ny 30 taona. Tsy handalo fotsiny fa homarihina ny fankalazana, raha ny nambaran’ny tarika, omaly. Hatom­boka amin’ny fampisehoana izay hotontosaina etsy amin’ ny Havoria Anosy io, ny ala­hady 19 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. […]