« Seha-pikarohana ara-javakanto na « laboratoire de musique » ny Vox Angeli. Ny mozika izay mety sy afaka trandrahana ho kanto dia ezahina avoitra avokoa ». Fanazavana nomen’i Fahombiazana Andrianamelasoa io. Izy no mpitarika ny Vox Angeli Vivace. Mivelatra amin’ny mozika, araka izany, ity amboaram-peo ity, na dia manana fironana […]
kolon-tsaina
MFF andiany faha-18 : fantatra ny mpitsara ny fifaninanana
Navoakan’ny tomponandraikitra, omaly, ny mpitsara voafidy mialoha, hitsara ny fifaninanana mandritra ny “Madagascourt Film Festival” (MFF) andiany faha-18. Miisa 5 izy ireo, ahitana olona manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny horonantsary. Ity hetsika lehibe ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023, eto Madagasikara. Mandrafitra izany […]
Tontolon’ny hira sy ny valiha : hotsaroana Randafison Sylvestre
Mitsingerina tamin’ity taona ity ny faha-20 taona nahalasanan’ilay andrarezin’ny hira malagasy, Randafison Sylvestre. Hisy ny hetsika hoenti-mahatsiahy ny zava-bitan-dRandafison Sylvestre, mpitendry valiha malaza maneran-tany. Ao anatin’ ny fandaharam-potoana ny fijoroana vavolombelon’ireo nifanerasera taminy fony fahavelony. Anisan’izany ny fianakaviana sy ny mpitendry zavamaneno toa an-dRakotomavo Germain sy Ratovo Luc Olivier, sns, […]
Sarimihetsika : nalefa teto an-dRenivohitra ny “Iza”
Tontosa ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Plaza Ampefiloha, ny fandefasana ny sarimihetsika malagasy, mitondra ny lohateny “Iza”, fizarana voalohany. “Iza”, novokarin’ny trano mpamokatra Miguel Production, tantara nosoratan-dRaharilanto Mampyoun. Nahasarika mpijery maro (olon-dehibe, zaza, tanora) izy ity. Niompana tamin’ny tantarana mpirahalahy mpinamana teo amin’ny tanàna iray ny vontoatin’ny tantara. “Nanjakan’ ny […]
Eglizy katolika Ambodifotatra – Sainte Marie : hampidirina anatin’ny lisitry ny harem-bakoka maneran-tany
Voasokajy ho harembako-pirenena, araka ny didim-panjakana lah-83-170, tamin’ny mey 1983 ny Eglizy katolika voalohany ao Ambodifotatra, Sainte Marie.Tanjona manaraka ny hahalasa azy ho anaty lisitry ny harem-bakoka maneran-tany. Izy ity no Eglizy katolika voalohany, niorina teto Madagasikara, ny taona 1847. Anisan’ireo harem-bakoka kasain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina hampidirina ao […]




