kolon-tsaina

Rohinkanto: hoentina an-tsehatra ny tantara amin’ny Radio

Tafatsangana ny Rohin­kanto ivondronan’ireo mpilalao tantara fandefa amin’ny Radio, mpilalao sarimihetsika, teknisianina amin’ny fikiraki­rana ny feo ary mpanatontosa fandaharana amin’onjampeo. « Samy matihanina sy manana traikefa matanjaka amin’ny asany avokoa ireo mivon­drona mandrafitra ny Rohin­kanto raha ny fanazavan’i Ony Miha­janirina, iray amin’ireo mpikambana. Nambarany fa : « izy ireo no […]

« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika sy mpanakanto 20 mahery no hiaka-tsehatra

« Harena ny fahasamihafana ». Hisongadina izany mandritra ilay fampisehoana « Fehe­zan-tseho hafa mihitsy »… Hotanterahina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ilay seho lehibe nampitondraina ny lohateny « Fehezan-tseho hafa mihitsy ». Mahatratra 20 mahery ireo tarika sy mpanakanto […]

Fi.Mpi.Ma : any Toamasina ny «Herinandron’ny kabary»

Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Ma­nana rafitra sy lamina mazava arahina ao anatin’ny taona iray. Anisan’izany ny fanatanterahina ny « Herinandron’ny kabary ». Ho an’ity taona ity, hotontosaina any Toamasina, ny 14 aogositra ka hatramin’ ny 19 aogositra izao, ito hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy ito. Tafiditra ao anatin’ny […]

Tao anatin’ny dimy taona : nitombo be ny isan’ny tononkalom-pitolomana

Ny mpanoratra, mpamosaka ny ampitso. Mety ho lakolosy fanairana ihany koa ny asa sorany. Nanana ny nampiavaka azy anefa ny fiainan-dry zareo ireto tao anatin’ny dimy taona… Taona 1960, nahatsiaro tsy mbola ho afaka i Ma­dagasikara. Nipololotra ny tononkalom-pitolomana. Taona 1972, nivaivay ny endriky ny mizana tsindrian’ila sy ny fampisaraham-bazana. […]