kolon-tsaina

Feno 5 taona ny fandaharana : manabe sady mampihomehy ny “Eo ara oe”

Sady manala sorisory no handraisana hafatra. Anisan’ireo fandaharana be mpiandry isan’andro ny “Eo ara hoe”. Mifono fanabeazana. Feno 5 taona amin’ity taona ity ny nisian’ny fandaharana “Eo ara oe”, ao amin’ny fahitalavitra TV Plus. Ni­haona tamin’ny mpanao gazety ireo tomponandraikitra sy mpilalao, omaly, tetsy Andra­haro. Nampahafanta­rin’ izy ireo nandritra izany fa ho­ma­rihina izay […]

Akademia malagasy: mitohy ny fanatsarana ny teny malagasy

Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ny Akade­mia malagasy, Tsimbazaza, ny fanolorana ny velakevitra sy fifanakalozana, nentin’ireo mpikambana ao amin’ny Aka­demia malagasy. Ny sokajy haikanto sy hailaza ary hai­raha, eo anivon’ny Akademia no nanatontosa sy nandrindra ny fivoriana, teo ambany fiahian’ny filoha sy ny biraon’ny Akademia. Velakevitra anisan’ ny niavaka tamin’izany […]

20 taona an-tsehatra…: nanomboka tamin’ny Pazzapa… efa manana ny lalany i Poon

Tsaroanareo ve i Poon Pazzapa? Efa ela no adinodino izay fanampin’anarany izay, satria nanoritra ny lalany manokana ary manohy izany ity mpanakanto ity. Aleo izy no hitantara… Gazety Taratra (*): Ma­nana fanontaniana telo hapetraka amin’i Poon izahay. Ny voalohany, azonao fintinina ve ny momba anao sy ny lalana nodiavinao teo […]

Fanabeazana: omena vahana ny maha Malagasy

Miha tsy mahalala fomba andro aman’alina ny tanora ankehitriny. Ankoatra ny zava-baovao ampidirin’ny vahiny eto, anisan’ny antony miteraka io tranga io ny fanabeazana. Tsy afaka ny manatanteraka ny didy aman’andraikiny loatra ny ray aman-dreny. Misy aza, ma­ta­hotra ny manoro, ny ma­na­natra, ny mitantana, ny ma­naitra ny za­nany manoloana ny tena […]

« Festival Evasion II »: hahazo vahana kokoa ny fifaninanana

Anio sy rahampitso, hahazo vahana kokoa ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Fes­tival international de danse de création Evasion danse II » ny fifaninanana. Hotanterahina amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Ivokolo Analakely ny « Concours d’improvisation » ho an’ny mpandihy 20 sy mpandray anjara 20 hafa. Raham­pitso, ao amin’ny Institut Fran­çais de Madagascar (IFM) Analakely no […]