kolon-tsaina

Mpikabary Katolika: namoaka ny andiany Md Paoly ny Mpikalo

Tontosa ny sabotsy 16 septambra 2023, teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ny famoahana ny Mpi­kalo (Mpikabary katolika), andiany faha-18, andiany Ma­sindahy Paoly. Niisa 561 ireto andiany avy eto amin’ny diosezin’Antananarivo ireto. Reny mpiahy azy ireo Rako­tondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Mitohy hatrany ny fampianarana, ary tanjona ny […]

Festival Temps Fort Danse : Valandresaka no hama­ranana ny hetsika

Tontosaina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 20 septambra 2023, ny valandresaka manodidina ny hetsika «Festival Temps Fort Danse». Hetsika izay efa nifarana ny sabotsy lasa teo. Fifampizarana eo amin’ny rehetra no tanjona ao anatin’ity valandresaka ity. Ho hita ao avokoa ireo nandray anjara tamin’ny hetsika ary […]

AdY Hiragasy : manomboka mahaliana ny tanora ny hetsika

Mitohy hatrany ny ady hiragasy, isaky ny alahady. Manomboka liana amin’izany ny mponina eto an-drenivohitra, indrindra ny tanora. Mitombo, manaraka izany, koa ny ezaky ny mpikarakara. Tontosaina eny amin’ny Kianjan’ny Hiragasy, eny Ampefiloha, isaky ny Alahady tontolo andro, ny ady hiragasy, ifanandrinan’ireo tarika maro samihafa. Ha­tramin’izay nisokafan’ny kianja, tsikaritra ho […]

« Slam nationale 14 » : vahinin’ny hetsika i Nicolas Séguy

Hotanterahina ny 29 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Mada­gas­car (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’i Nicolas Séguy, teratany Frantsay mpitendry Piano. « Concert Piano Voix », io no lohatenin’ity seho goavana iarahana amin’ity mpitendry zavamaneno vahiny ity. Ny Madagaslam no mikarakara ny hetsika ary tafiditra ao anatin’ny « Slam nationale 14 ». […]