kolon-tsaina

Fandaharana amin’ny fahitalavitra : naranty ny faha-10 taonan’ny Kolots’Art

Nomarihina ary naseho ho an’ny rehetra tetsy amin’ny AFT Andavamamba, afakomaly, ny faha-10 taonan’ny fandaharana Kolots’Art ao amin’ny Kolo TV. Naranty tamin’izany ny ankamaroan’ ireo asa tanana sy fahaiza-manao ary koa ny momba ireo mpanakanto. Teo ireo mpanakanto amin’ny hosodoko sy ny sary miisa 50. Eo koa ireo taozavatra sy […]

« Evasion danse » II : Feno ny toerana « Masterclass »

Anisan’ny fandaharam-potoana lehibe hotanterahina ao anatin’ny «Evasion danse» II ny «Masterclass», tontosaina anio maraina, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina. Fantatra fa tsy misy intsony ny toerana ho an’izay mbola te hanatrika izany. Fiofanana nampitondraina ny lohahevitra : «Techniques et symboliques de la dit malagasy sur rythmique linéaire» izay hotarihin’i […]

Ho famaranana ny faha-10 taona : hanolotra seho sy rakikira ny Vox Angeli Vivace

Nahafantarana ny Vox Angeli Vivace ny namerenany ireo sanganasan’i Gilles Ramiarison. Hamoaka rakikira manokana hirakitra ireo ity vondrona tanora mpanakanto ity… Nanomboka ny fankalazana ny faha-10 taona izy ireo, ny volana mey 2022. Hamarana izany kosa ny Vox Angeli Vivace, amin’ny alalana fampisehoana miavaka, hotontosaina ny sabotsy 15 jolay izao, […]

60 taona; tsy miova ny fanambin’ny Tahirimbolam-panjakana

Natao ny 1 sy 2 ary ny 3 jolay teo, ny fankazalana ny faha-60 taona ny Tahirim­bolam-panjakana. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-ko­lon­tsaina ny andro roa voalohany, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Teny amin’ny CCI Ivato kosa ny andro fahatelo, « Andron’ny Tahirim­bo­lam-panjakana ». Notolora­na mariboninahitra ny mpiasa ma­nerana ny Nosy amperinasa sy ny […]

Fihaonana, seho, fifaninanana… : hivelatra noho ny teo aloha ny « Evasion danse II »

Anisan’ny fanomezan-danja ny dihy sy ny asa famoronana momba izany ny fanatanterahana ny « Festival international de danse de création ». Nohatevenina ny fandaharam-potoana ho an’ny andiany faharoa. Hosokafana, anio, ny «Festival international de danse de création». Hivelatra sy hahazo sehatra lehibe kokoa raha oharina amin’ny teo aloha ity andiany […]