kolon-tsaina

Haikanto sy literatiora : manohana ny talenta vao ny Hetsika

“Tsy ampy mpanoro sy mpanohana ny mpiantsehatra eo amin’ny asa soratra malagasy”, hoy i Michèle Rakotoson. Miezaka mamaly ny filan’ny sehatry ny haikanto sy ny kolontsaina malagasy ny Hetsika, ho fampivelarana sy fampiroboroboana izany. Notanterahina, omaly, teny amin’ny trano famakiam-boky Mille Feuilles Behoririka, ny tafatafa sy valandresaka ho an’ny mpanao […]

Sary Hosodoko : hiranty any Chine ny haikanton’i Natoa Rasolonjatovo

Tanterahina anio, any Chine, ao amin’ny tanànan’i Beijing, ny fetibe ana habakabak’i Chine sy Afrika amin’ity taona 2023 ity. “Habakabaka ifampizarana, nofinofy sinoa sy afrikanina” no lohahevitra voizina mandritra ity fety lehibe ity. Hetsika haikanto maro no ho hita mandritra izany. Anisan’izany ny fampirantiana ireo hosodokon’ny mpahay kanto maro samihafa […]

« Slam nationale 14 » : feno ny fandaharam-potoana

Anisan’ny hetsika ho hita mandritra ny « Slam nationale 14 » ihany koa ny « Slam à l’U ». Fifaninanana « Slam Poè­sie », natokana ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo, mahafeno fepetra. Ny 14 septambra 2023, eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso, ny atrikasa fiomanana, raha ny 22 septambra 2023, mandritra ny “Slam nationale 14” no hanatanterahana […]

Unesco : « Tsy misy handroso amin’ny tenin’ny hafa »

Sarotra, hono, ny manome famaritana ny atao hoe « fandrosoana ». Ho an’ny hafa indray, ny fampiasana ny zava-misy ananana no manome lanja ny « fandrosoana ». Iray amin’ireny ny teny raha ny nambaran’ny Unesco. Sampandraharaha eo ani­von’ny Firenena mi­kambana, miandraikitra ny fanabeazana sy ny kolontsaina ny Unesco. Rehefa nanome ny valim-pikarohana nataony momba […]

Fomba amam-panao : mihena ny isan’ny Malagasy manao ny famadihan-drazana

Fomba amam-panao, tanterahin’ny Malagasy avy eto afovoantany, ao anatin’ny vanim-potoana maintany sahala amin’izao ary telo taona aorian’ny nahafatesan’ny olona iray, farafahakeliny ny famadihan-drazana. Araka ny antotanisa eo anivon’ny tomponandraikitry ny kaominina maromaro anefa, miha mihena isan-taona ny Mala­gasy manao ity fomban-drazana ity. Mihena isan-taona, araka izany, ny isan’ireo ma­nao fangatahana hanao […]