kolon-tsaina

Ramilison Dadafara: « Mampiditra 6 tapitrisa isan’ olona eo ho eo ny hiragasy »

Maina ny tany ! Afaka manatanteraka adin-kiragasy maro ny tarika iray. Saika isan’andro mandeha hatrany. Dinika nifanaovana tamin-dRamilison Dadafara. Gazety Taratra (*): Mandra-pahatongan’ny rotsakorana volana oktobra, mahatratra firy eo ho eo ny adin-kiragasy vitan’ny tarika iray ? Ramilison Dadafara (-): Raha niainga teo amin’ny voalohandohan’ny volana avrily, mahavita adin-kiragasy 150 […]

Tantara an-tsehatra : any Antanifotsy indray ry Rakoto, Niravo, Faly…

Hitohy any Antanifotsy in­dray ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpilalao tan­tara amin’ny onjam-peo. Hi­seho vahoaka any an-toerana ny alahady 2 jolay izao, amin’ ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny kianja malalaka Mb Terezy i Niravo, Rakoto, Faly, Synèse ary Antsa Ra­vaka. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i […]

« Hiaraka Mi-Rock » : manohy ny lalany ny Serge GPE

Handimby ny « Revy Rock » ny « Hiaraka Mi-Rock » ! Ma­nohy ny lalany eo amin’ny tontolon’ny mozika hatrany ny tarika Serge GPE. Rahampitso zoma 30 jona, hanomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny 26 Twenty six, Karibotel Analakely, no hitondran’izy ireo indray ny « Hiaraka Mi-Rock ». Hifanakaiky amin’ny mpankafy ny kanto ry zareo amin’io […]

“Itaosy Kaomedy Klioba” : hizara endri-tseho hafa ireo mpanao hatsikana

Mety ho anarana vaovao amin’ny maro. Azo antoka anefa fa hiverimberina ary halaza tsy ho ela. Mihora Andrianina, Aina Maharavo, Zina Rabedaoro, Deds Clodio ary Tsiresy Radilofera. Tanora mpanao hatsi­kana, homena sehatra eny Itaosy aloha… Toa tsy misy misongadina mihitsy ireo tanora mpanao hatsikana? Fanon­taniana heno mipetraka matetika io. Ny […]

ENS Ampefiloha : manandratra ny hasin’ ny teny malagasy

Nifarana ny zoma teo ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy, teny anivon’ny Ecole normale su­périeure (ENS) Ampefiloha. Nokarakarain’ny mpianatra rehetra teo anivon’ny sekoly. Nampitondrainy ny lohahevitra hoe: “Teny malagasy, fototra mampandroso ny fanabeazana”.Tanjona ny hanandratana ny teny sy ny maha-Mala­gasy manoloana ny rivotra mitsoka avy any ivelany. Na­nambara […]