kolon-tsaina

Fampielezan-kevitra : mety tafakatra 300 tapitrisa Ar ny maka tarika iray

Andro vitsivitsy sisa no hisaina… Raikitra ny fampielezan-kevitra ! Hiasa mafy ny mpanakanto. Manao ahoana ny endriky ny tontolon’ny fifanarahana ao anatin’izany ? Dinika nifanaovana tamin’i Roberto, « manager » tarika Stéphanie. Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha « manager »-nao, manao ahoana ny antso azonao momba ny fanafanana fampielezan-kevitra ? Roberto (-) : Efa maro amin’ireo nirotsaka hofidina ho […]

Fakafaka: Ka…Laza…

Ilaina ihany io amin’ny maha mpanakanto. Tsy tadiavina kosa anefa fa tonga ho azy. Mety tsy ho izay ihany koa fa vokatry ny tosika avy amin-javatra hafa toy ny dokam-barotra sy fampiasana vola totoafo. Mifangaro ireo eto amintsika hany ka manjary tafavondrona anaty kitapo iray. Samy kalaza ! Ka ny laza […]

Samoela, Rah-Chiky, Princio : nifampizara sehatra ny andrarezin’ny Vazo miteny

Notanterahina omaly tolakandro, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana, « Revy sy Vazo milay », niarahana tamin’i Princio sy Rah-Chiky ary Samoela. Vazo miteny maroloko no nameno ny sehatra, araka ny nampanantenain’ireto mpanakanto ireto. Nampiavaka ny fampisehoana ny fampiaraham-peon’ireto andrarezin’ny Vazo miteny eto Madagasikara ireto. Afa-po ny mpankafy ary manantena ny seho sahala amin’ireny […]

Fampisehoana Mage 4 : hipoka tanteraka ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena

Tafahaona teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tia sy ny manina, omaly. Samy faly tokoa, ary niaraka nankafy indray ny hiran’ny tarika Mage 4, ireo mpankafy maro. Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fa­natanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana goavana niarahana tamin’ny tarika Mage 4. […]