kolon-tsaina

« Concert d’orgue » : omena lanja i Noël Rakotoarivony

« Tsy mbola nisy », « Natolotrao ho avotray », « Falifaly »… Hanakoako mandritra ny « Concert d’orgue » hotanterahina ny 9 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny FJKM Ambaniala Malala, ny sanganasan’i Noël Rakotoarivony. Ny antoko mpihira Zanak’i Ziona no hihira izany eny an-toerana. Seho karakarain’ny Sampana tanora kristianina sy ny Fikambanan’ny mpitendry […]

Antenimierandoholona : lany nasiam-panitsiana ny tolo-dalànan’i Rossy

Raha hivoaka ho lalàna, tsy mbola ato ho ato. Nitondra fanitsiana maromaro ilay volavolan-dalàna nataon’ny solombavambahoaka Rossy, ireo loholona, omaly. Tolo-dalàna laharana faha 002-2022/PL, tamin’ny 01 jona 2022, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana faha-94-036, mahakasika ny « propriété littéraire et artistique ». Natolotry ny so­lombavambahoaka sady mpanakanto Rahasimanana Paul […]

Ho fifalian’ny mpankafy…: hiaraka an-tsehatra indray i Poopy sy i Njila

Tsaroanareo ve ilay fampisehoana Njila sy i Poopy tao amin’ny Palais des sports, ny taona 2017? “Firaisankina” ny anaran’ny seho tamin’izay, nentina nanamarihan’i Njila ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra. Amin’izao fotoana izao kosa, tonga amin’ny fankalazany ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra ihany koa i Poopy… Efa nisy ny seho goavana […]

Fitsidihana ny Rova: nandraisana fepetra ireo mpitari-dia tsy ara-dalàna

Izay efa nitsidika dia nahatsikaritra. Ifandrombahan’ireo milaza fa mpitari-dia izy ireo. Manakorontana ny mpitsidika ny Rova ka tsy eken’ny minisitera mpiahy izany. 9 andro izay no nisokatra indray ho an’ny besinimaro ny eny Anatirova. Efa maherin’ny 10 000 sahady ireo mpitsidika, ny tamin’ny alarobia teo no maro indrindra, satria nahatratra […]

« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika 19 hifandimby eny an-tsehatra

Mifanaraka amin’ny lohateniny ! Sambany teo amin’ny tantaran’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly no hisy tarika sy mpanakanto mahatratra 19 be izao hifandimby eny an-tsehatra. «Fehezan-tseho hafa mihitsy», rindran-kira hotanterahina ny 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Ao ireo tarika sy mpanakanto […]