Hotanterahina any Ambatondrazaka, ny 24 sy 25 jona 2023, ny “Festival Zetra” andiany voalohany. Hetsika eo amin’ny lafiny fizahantany sy kolontsaina hanehoana ny mampiavaka ny foko Sihanaka sy ny faritra Alaotra Mangoro. Ny fikambanana Zetra Festival miaraka amin’ny mpanohana sy mpiara-miombon’antoka samihafa no mikarakaraka ny hetsika. Diabe, fampirantiana, fampisehoana, fitsidihana […]
kolon-tsaina
Vokatry ny tsy fahalalana tantara : manomboka mahazo vahana ny tsy fifanajana
Iray ihany ny Malagasy ! Miezaka ny mivoy io fehezan-teny io, ankehitriny, ny ankamaroan’ireo manam-panahy handalana. Manezaka ny nandrava ny firaisan-kina ny vahiny mpanjakazaka an-tanin’olona fa tsy nahatonga hatramin’ny farany. Nafafy ny « zarazarao hanjakana ». Naparitaka ny « fikitra mampiady angely » isan-karazany fa mbola indreo eo ihany ny fihavanana maha Malagasy… Vanim-potoana lehibe […]
FJKM Ambodihady Vaovao : 25 taona ny Sekoly Alahady
Hosokafana ny sabotsy 20 mey izao, ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao Ambohimanarina, ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily Volafotsy (faha-25 taona) ny sampana Sekoly Alahady, synodamparitany Antananarivo Andrefana. Teny faneva hoentina mankalaza izany ny “Ary izay taranakao ny hanangana ny efa rava ela…” (Isa 58, 12a). Mandritra ny taona ny […]
« Festival de Cannes » : hisy Malagasy dimy mpanatontosa sarimihetsika
Voafantina hiatrika ny “Festival de Cannes 2023” ny horonantsarimihetsika miisa enina avy amin’ny fikambanana Cinemalagasy. Malagasy dimy, iray avy any Cameroun. Horonantsarimihetsika niavaka nandritra ny hetsika Madagacourt Film Festival izy ireo. Ny 20 hatramin’ny 27 mey 2023 no hiatrika ny “festival de Cannes 2023” ireto mpanatontosa enina ireto. Andiany faha-76, […]
“The Voice Africa” : tsara toerana i Rinah Arifenitra
Misongadina hatrany ny Malagasy! Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, nahitana teratany malagasy nandray anjara avokoa ireo fifaninanan-kira iraisam-pirenena malaza. Anisan’ireo efa misongadina sahady ao anatin’ny “The Voice Africa 2023” i Rinah Arifenitra, tovovavy mpanakanto hametrahan’ny mpiray tanindrazana aminy ny fitokisana rehetra amin’ity fifaninanana ity. Tsy ny Malagasy irery, fa ireo […]




