kolon-tsaina

Fitendrena gadona Ba Gasy: hizara ny fahaiza-manaony i Liva Ramorasata

Tanterahina anio, tolakandro, eny amin’ny ivontoeran’ ny Academie Nationale des Arts et de la Culture na ANAC Anosy, ny “Atrikasa Piano Ba Gasy”, karakarain’ny ANAC. Fampiofanana sy fampianarana ny fitendrena ny Piano, amin’ny gadona Bagasy, iarahana amin’i Liva Ramorasata, mpampianatra sy mpandalina mozika, no hameno ny fandaharam-potoanan’ ny atrikasa. Miray […]

Amboara eran-tany «Slam-Poèsie» : tsy tratra ny tanjona ho an’i Hichim

Tontosa omaly, tao Belleville Paris, ny dingana faharoa sady manasa-dalana, ho an’ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny “Slam Poèsie”. Mpifaninana 6, tao anatin’ny 12 naharesy tamin’ny dingana faharoa no tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana, tanterahina anio. Tsy tafita ho amin’izany dingan’ny famaranana izany i Hichim. Tsy tratra ny tanjona ho an’ny […]

Mivelatra ny hiragasy…: hisehatra any Frantsa ny tropy Rasoalalao Kavia

Seho telo hatramin’izao no fantatra fa hotontosain’ny tropy Rasoalalao Kavia, any Frantsa. Ny zava-dehibe dia efa manana ny toerany eo amin’ny iraisam-pirenena ny hiragasy… Vaovao lehibe nahafaly ny maro! Hisy fampisehoana hiragasy any Frantsa… Raha mpanakanto sy tarika malagasy, maro ireo misongadina eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena, no fandre. Tsy […]

Teatra poetika: holalaovina an-tsehatra ny « Mampangidihidy-Z »

Matetika, arahina antsan-tononkalo na tsangan-tononkalo na vela-kevitra hatrany ny famoahana boky tononkalo. Amin’ity indray mitoraka ity, novain’ny Faribolana San­dratra izany ka natao teatra poetika, hotanterahana ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny 20 mey amin’ny 3 ora tolakandro, raha ny fanazavan-dRatsifa. « Mampangidihidy-Z », tantara an-tsehatra maoderina. Tonon­kalo maromaro narafitra ho lasa tantara iray […]

Amboara eran-tany « Slam-Poèsie » : hiatrika ny manasa-dalana anio i Hichim

Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana, i Hichim, misolo tena ny Malagasy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam-Poèsie”, atao any Belleville, Frantsa. Miisa 12 izy ireo no tafita hiatrika izany dingana izany. Ny dingan’ny manasa-dalana izay tanterahina anio, amin’ny 8 ora sy 30 minitra, ora eto Madagasikara. Na nisy […]