Roa herinandro lasa izay, fantatra fa hanao «cabaret» irery i Mahery Majika. Tampoka tsy nampoizin’ny rehetra kosa, lasa fiarahana an-tsehatr’izy sy i Nanie izany. Mandalo an-tanindrazana mantsy i Nanie amin’izao fotoana izao, ka manararaotra ny fotoana ela dia ela tsy naha teo azy, hihaonany indray amin’ireo namany mpiara-milomano anaty mozika, […]
kolon-tsaina
Hira : vitsy mpandimby ny feo malagasy
Mahasarika tanora, maharevo ny ankizy. Vitsy dia vitsy anefa ireo mahatazona ilay feo mampiavaka ny Malagasy tahaka ny angola. Saika hala-tahaka ny feon’ireo mpihira vahiny no heno. Ilay hira rahateo, manana firafitra hira vahiny. Vitsy amin’ireo tanora no mamorona na mihira batrelaka, bagasy, salegy, sns, kanefa ireny no tena mahatahiry […]
Teny malagasy: ny avo feo no manana ny marina
Diso io ! Marina io ! Na ireo teny malagasy anisan’ny tsotra indrindra aza, mbola (na nanjary) iharan’io tranga io. Vokatry ny tsy fisian’ny rafitra mazava sy tsy fandraisana andraikitra, manangasanga any ho any ny «Ny avo feo no mandresy» ! Mikaroka ny mpikaroka. Mandinika ny mpandinika. Mampianatra ny mpampianatra. Mianatra ny mpianatra… […]
Madagaslam Section Tanà: “Omena sehatra ireo talenta vao”
Tontosaina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny “Slam Session”. Hetsika karakarain’ny Madagaslam section Tanà (MST), tafiditra ao anatin’ny hetsika “Zoma finaritra” karakarain’ny IKM. Toy ny mahazatra, misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra, ary mpiangaly Slam maro samihafa no andrasana ao anatin’izany. Tanjona amin’izao ny hampivelatra sy hampiroborobo […]
Shelby Florent – Waka Waka Festival: “Te hanome sehatra ho an’ny mpanakanto afrikanina izahay”
Mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao i Shelby Florent. Izy no tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Shelby Production, mpikarakara ny “Waka Waka Festival” rehetra any ivelany sy eto. Nisy ny resadresaka fohy nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*): Inona no anton’ny nisafidianan’ny Shelby Production an’i Madagasikara, sy i Sambava manokana, handray ny “Waka […]





