kolon-tsaina

Ny zanaka no harena: Resabe ny isan’ny zaza hateraka

Satria mahantra ny Mala­gasy, aleo iray na roa ihany ny isan’ny zaza hateraka. Mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny tokoa io. Fanehoan-kevitra toa sarotra toherina. « Ny zanaka no harena », hoy kosa ny Malagasy. Sao mba tsy marina amin’izao vanim-potoana izao intsony ary io ? Voaporofon’ny tantara anefa fa fomba nataon’ny mpanjanaka sy […]

Tantara an-tsehatra: any Imerintsiatosika indray ny Iray Fy’Art

Manohy ny fanandratana ny kanto sy ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra ny Iray Fy’Art. Mitety faritra izy ireo. Anjaran’ny eny Imerintsiatosika sy ny manodidina indray ny mahita mivantana ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo. Ho­velomin-dry zareo an-tsehatra ilay tantara “Anjara voasedra” nosoratan’i Niravo Randria. Maneho ny fiainana andavanandro sy ny […]

Haisoratra : nivoaka ny amboara “Angolam-pitia” nosoratan’i Riadiana

Velona ny haisoratra, rehefa misy mamelona: ny mpanoratra. Mivoaka ny amboaran-tononkalo “Angolam-pitia” nosoratan’i Riadiana. Ela ny ela, nivoaka ny amboaran-tononkalo nosoratan-dRampanana Raymond na i Riadiana. Efa aty amin’ny faha-55 taona nanoratana izany. Tamin’ny taona 1968 izy no nanomboka nanoratra. Boky voalohany io: misy tononkalo 93, takila 120. Izany aza, mbola […]

“Volana iray, mpanoratra iray”: fantaro i Natioramena Narda

Natioramena Narda no anarany. Natiora kosa no solon’ anarana entiny eo amin’ny asa soratra sy asa sary. Mpa­noratra, poeta ary milomano ao anatin’ny teny satria mpam­pianatra ny taranja Malagasy, Anglisy ary Frantsay izy. Namolavola an’i Natiora ho tonga mpanoratra ny faha­zazana teny ambanivohitra, henika tsianjery sy famoronana kilalao ary asa […]

Fampianarana mozika : nifampizara ny Anac sy ny sekoly avy any Italia

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Academie nationale des arts et de la culture (Anac), Anosy, ny fampiofanana momba ny mozika, notarihin’i Fran­cesca Sivori, avy amin’ny Ecole de musique Allegromo­derato, avy any Italia. Fizarana fahaiza-manao amin’ny fiten­drena karazana zavamaneno maro samihafa no natao tamin’ izany. Maro ny Malagasy, araka ny nambaran’ny […]