kolon-tsaina

Rehefa hita ny fototra… : mila miaina amin’ny kolontsainy ny Malagasy

Tsy handeha hitsangatsangana ireo vahiny tonga teto Madagasikara. Nitondra sy nametraka ny momba azy, izy ireo. Tao anatin’ny fotoana fohy nahazo faka ireny. Laharam-pahamehana ho an’ny vahiny tonga teto Madagasikara ny famo­tehana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Mbola manao randra-mitarika izany taty aoriana satria namela dimby sy fara […]

Handeha voalohany ny sabotsy izao… : maneho ny fototry ny fihavanana Malagasy ny “Nampoina”

Herintaona sy tapany no namolavolana azy… Betsaka ireo miandry mafy ny hivoa­han’ilay sarimihetsika “Nam­poina, ny riaka no valampariako”, nosoratan’ny Profesora Ranjeva Raymond ary notontosain-dRandrianierenana Henri. Handeha voalohany eto Madagasikara ity sarimihetsika ity, ny 15 jolay izao, ao amin’ny Canal Olympia Ando­hatapenaka. Mahay ampahany amin’ny tantaran’Andrianampoinimerina avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. “Ampahany” […]

Raha omena lanja : mahavelona ny fampianarana zavakanto

Nokobonin’ny tsirairay ny fahaizana zavakanto hatramin’izay. Tsy nanome vahana azy io rahateo ny rafitra nisy. Niova izany, ankehitriny, ka nanjary fameloman-tena ny fampianarana azy. Ho an’ny mozika, sandaina 15 000ar (sarany ambany indrindra) ny mianatra mitendry na mitsoka na mikapoka zavamaneno ao anatin’ny ora iray. Mety ho tafakatra hatrany amin’ny […]

Olombelo Ricky: hiditra amin’ny andiany faha-30 ny “Manala azy”

Efa fotoam-bita! Tapitra ny alakamisy 20 jolay ny fanadinanana bakalorea eto Mada­gasikara. Io alakamisy io koa ny “Manala azy” hatramin’izay. Hiditra amin’ny andiany faha-30 ny “Manala azy” miaraka amin’ny Olombelo Ricky amin’ ity, ao Antsahamanitra ihany, hanomboka amin’ny 5 ora hariva. “Mbola mijery ny “Manala azy” miaraka amin’ny Olom­belo Ricky […]