kolon-tsaina

Fanamarihana ny 8 marsa: nandray andraikitra ireo vehivavy Star

Niavaka kokoa ny nanamarihan’ireo vehivavy mpiasan’ny Star ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny alarobia lasa teo. Nirona tamin’ny asa sosialy isan-tsokajiny izy ireo, ary samy nanana ny nankalazany azy isak’ireo toeram-piasana Star miisa 13 manerana ny Nosy. Ankizy sy vehiavy avy amin’ireo fikambanana isan-karazany, sekoly, hopitaly, sns, no […]

Fiofanana andiany faha-III: « Mifamatotra ny valiha sy ny fanahy »

Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-III ny fiofanana karakarain’ny vondrona Vali­han’Ikaky. Lohahevitra amin’ izany ny « Fifamatoran’ny va­liha sy ny fanahy ». Noma­ri­hin’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity vondrona ity fa « adidy lehibe ho anay ny manome ny fototra sy fahalalana mafy orina ho an’ ny taranaka aty aoriana mba hahatonga azy ireo […]

Sarimihetsika : misokatra ny Laza Production

Retsanga Lazasoa, roa taona nilonana ao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Maro ny horonantsary nahafantarana azy, indrindra ny tany atsimon’ny Nosy. Mieritreritra ny handeha lavitra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy izy. Nosokafan-dRetsanga Lazasoa ny trano famokarana Laza Production, izay miezaka manatsara ny tontolon’ny sinema eto an-toerana. Maro mantsy ny lesoka momba […]

Kolontsaina sy serasera: nivoaka ny gazety boky « Hetsika MSK » 

Hivoaka isam-bolana ny gazety boky « Hetsika MSK ». Hanampy ireo fitaovana fampaha­fantarana efa misy, izay rehetra mahakasika ny asan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolon­tsaina izany. Avy hatrany dia ireo fandaharam-potoana hitranga mandritra ny volana hitsahina ny ao amin’ ny pejy faharoa… Hanason­ga­dinana ireo fandaharam-potoana ara-kolontsaina sy amin’ny lafiny serasera manerana ny […]