« Sesily » aloha izao no hira mampandihy, tian’ny tanora kanefa ankafizin’ny lehibe koa. Ity hira ity koa no nanosika ny Oladad hisedra irery an’Antsahamanitra amin’izay. Tsy fanombohana anefa, fa tohin’ny laza efa nipetraka io ho an’ny tarika. Hitan-dry zalahy ny lalana ! Efa an-taonany maro no niezaka nametraka ny […]
kolon-tsaina
Mpihira malagasy : eto an-tanindrazana i Mamisoa R.
Razanajatovo Mamisoa, vehivavy mpihira momba ny “Lyrique”. Teratany malagasy, manorim-ponenana any Frantsa izy. Ao anatin’ny fandalovany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, nisy ny fampisehoana notanterahiny teny amin’ny Café du Musée, Andohalo, nanamarihany izany fandalovany an-tanindrazana izany. Nianatra momba ny hira milamina sy ny lanton-kira frantsay ary ny “airs opera” tany […]
«Malgache» hosoloina «Gasitsara» : hisy fiantraikany amin’ny toekarena ny fanovana
Efa misy ny resy lahatra ! Tao anatin’ny taona vitsivitsy, maro amin’ny Malagasy no nahatsikaritra sy miombon-kevitra fa mila ovaina ny « Malgache » izay nohagasiana ho « Malagasy ». Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo sady mpikaroka momba ny fomba amam-panao sy ny fiarahamonina malagasy, nanambara fa : « « Gasitsara » no tokony hiantsoana […]
Haisoratra : andiany faha-XII ny “Zara Fanahy”
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Volan’ny poezia », hanatanteraka ny hetsika « Zara Fanahy » andiany faha-XII ny Faribolana Sandratra. Hahatratra 13 ireo mpandray anjara eny an-tsehatra, ny 25 marsa izao, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina. Omena lanja sy hasina ao anatin’ity antsa tononkalo ity ny tontolon’ny haisoratra malagasy. Ireo « mpizarafanahy » andiany faha-XII […]
Seho iraisam-pirenena: nahazo ako tsara ny fampisehoan’i Tayc
Am-bolana maro no efa nanomanan’ny mpikarakara sy ny mpankafy an’ity mpanakanto ity ny fampisehoana nataony teto Madagasikara. Ako miabo no azon’ny rehetra tamin’izany fampisehoana izany ary samy afa-po. Tonga maro nijery sy nanatrika ny fampisehoana nataon’i Tayc ny mpankafy azy, indrindra ny tanora, teto Madagasikara. Araka ny nanapoizana azy avokoa […]




