Ny taona 2020, nivoaka voalohany ny boky Valihan’Ikaky. Amin’ny ankapobeny, voasokajy ao anatin’irony boky hoenti-mandalina ny zava-panahy izy tamin’izany. Nanantombo kokoa, mantsy, ny fampianarana sy fanabeazana momba ny fifandraisana sy ny fifamatoran’ny fanahy sy ity zavamaneno ity, raha oharina amin’ny fampianarana mitendry valiha, voarakitra ao anatiny. Nanjary maro be ireo […]
kolon-tsaina
« Festival Sar’nao, mois de la photo »: An-dalam-pivelarana ny saripika malagasy
Anisan’ny mampitolagaga ny fahafehezana ny saripika. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, mahavelombolo ny mahita ny fahaiza-manaon’ny mpiangaly izany, na dia mbola tsy matihanina tanteraka aza. Hifarana anio, ny rantin-tsary « Les émotions dans tous ses états » karakarain’ny Photo Club CGM ao amin’ny Cercle Germano Malagasy Analakely. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Festival […]
TARATRY ny KANTO
Misokatra hatramin’ny alahady izao, ny Mozean’ny saripika eny Anjohy. Mandray fampirantiana telo ny toerana, amin’izao fotoana izao: “Maison des vivants”, “Lutteurs Bara” ary “Ramilijaona”. Ramilijaona no anisan’ireo Malagasy mpaka sary nitondra fanavaozana ho an’ny saripika, ka misy sanganasany maromaro notsongaina haranty ao. Aorian’ny amin’ny alahady 3 janoary 2025 indray vao […]
Seho faran’ny taona any Paris: Mpitendry eto sy any no hiaraka amin’i Rossy
Raha mbola fety gasy any Frantsa, anisan’ny be mpiandry indrindra ity. “Bapampa Réveillon”, izay iarahana amin’ny tarika Rossy iray manontolo, ao Paris! Hiara-dia amin’i Rossy ireo mpitendry notsongainy manokana tamin’ireo mpanao hiragasy malaza, toy ny avy amin’ny tropin-dRamilison, Razakason, Rainitelo, sns. Manampy izany ireo mpitendry efa tao anatin’ny tarika Rossy, […]
« Prix Paritana » : hiditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika
Fanararaotra lehibe ho an’ny Malagasy mpanakanto sy ny mpanakanto monina eto Madagasikara ny “Prix Paritana”. Hisy ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra ho an’ireo tompon’ny tetikasa voafidy ho mpandresy. Nanambara ny mahakasika ny fisian’ny fifaninanana “Prix Paritana 2025” ny mpikarakara ity hetsika ity, omaly. Fifaninanana karakarain’ny Fondation H ho an’ny Malagasy […]