Fankalazana ny andro voalohany amin’ny volana voalohany amin’ny fanandroana isa lava, ny Alahamadibe. Fomba nankalazain’ny vohitra maro, indrindra teto Imerina izy ity, ary efa nandritra ny taona maro izany. Mbola mitohy mandraka ankehitriny, ary mihetsiketsika amin’ny fampahafantarana sy ny fanohizana ho an’ny taranaka ihany koa ireo mpandala ny Alahamadibe. Ny […]
kolon-tsaina
Taombaovao malagasy : Nitombo isa ireo liana, nivelatra ny hetsika
Tontosa soa aman-tsara! Nitombo laza, nitombo hadiry, niha maro mpanaraka koa ny taombaovao malagasy. Nilanona i Mahamasina, hatreny Andohalo. Andro fiasana ny alakamisy teo. Fa tsy nahasakana ireo hetsika marobe nanamarihana ny taombaovao malagasy izany. Nivelatra be raha noharina tamin’ny taon-dasa ny fankalazana tamin’ity, izay tetsy Mahamasina ny ivony. Raha […]
TARATRY ny KANTO
Eny amin’ny Doany Ambonga Ilaniara ny fanamarihana ny ivon’ny Alahamadibe 2026, anio. Toy ireo vohitra maro manerana an’Imerina, natomboka omaly tamin’ny fidiovana, ny arendrina ary ny afo tsy maty izany. Androany kosa ny « tatao », « tolotra hasina », « tsitsika sy joro », « tsodrano sy zara hasina » ary ny fitokanana ny lapa. Ny vondrona […]
« Génération 2010 » : Namaky lay ny mozika an-tanàn-dehibe
THT, Agrad & Skaiz, Meizah, Tsota, Odyai, sns. Maromaro ireo hiran’ireto mpanakanto ireto no efa 15 taona sahady izay no nalaza. Haverina indray izany. Misy ireo mbola anaty laza, ao kosa ireo vao hiverina indray. Tetikasa iray anisan’ny be mpiandry amin’izao fotoana ny « Génération 2010 ». Araka ny anarany, natao hampivondronana […]
Fomba amam-panao: Mivelatra hatrany ny Taombaovao Malagasy
Mitombo ny isan’ny Malagasy mahalala sy mahafantatra ny fombany. Miha maro hatrany ireo manatanteraka izany. Ankoatra ireo vohitra manan-kasina notetezin’ny Trano Kolotoraly Malagasy sy nandrehetany afo hatrany am-boalohany. Efa nitombo fatratra ireo tanàna, na vohitra na faritra, mankalaza ny Taombaovao Malagasy, ankehitriny. Mitombo ihany koa ireo sehatra ahitana ny fanatanterahana […]




