kolon-tsaina

IFM Analakely : Ho avy ny “Taom­baovao 2026”

Tsy fifampiarahabana noho ny taom-baovao fotsiny. Fotoana iray fanao isan-taona, maka endrika fety, fa indrindra hampahafantarana ny fandaharam-potoana rehetra amin’ny lafiny zavakanto sy kolontsaina ny “Taombaovao” an’ny IFM Analakely. Hotontosaina ny sabotsy 24 janoary izao izany amin’ity, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. I Christophe David no hanao ny […]

“Africa’s Cultural Landmarks”: Hanasongadinana ireo harembakoka mijoro

Andiana horonantsary fanadihadiana ny “Africa’s Cultural Landmarks”. Araka ny anarany, entina hanasongadinana ireo harembakoka mijoro sy miavaka aty afrika, toy ny Pyramides any Gizeh, ireo Eglizy ambanin’ny tany any Tigé (Ethiopi) ary ny Vohitr’Ambohimanga izany… … Hatokana ho an’izay indrindra ny anio tontolo andro, hatao eny amin’ny Fondation H Ambatomena, […]

TARATRY ny KANTO

« Kabary malagasy: manamafy fiha­vanana, arofanin’ny fiarahamonina ». Ny kabary io voalaza ao anatin’ny lohahe­vitry ny Androm-pirenena ho an’ny kabary io. Fa ny mpikabary mba ahoana? Olo-men­drika sy fakan-tahaka. Mazava fo, matsilo sai­na, anti-panahy. Toetra mila ananan’ny mpikabary ireo. Firy amin’ny mpikabary no mahafehy ny tenany sy ny teniny? Anisan’ny miteraka adihevitra maro, ohatra, […]

Solomiral-50 taona an-tsehatra : Hanasa ireo namany anaty seho lehibe

“Vakojazzana”. Io ilay nampisaloran’ny Solomiral ny mo­zika lalaoviny. Ny taona 1975, 50 taona lasa izay no nanombohan’ny tantara ka tsy havelan-dry Hajazz miraha­lahy avy handalo fotsiny izany, fa homarihina amina seho lehibe iray. Hotontosaina ny 18 ja­noary izao ny fanokafana izany jobily volamenan’ny ta­rika Solomiral izany. Hatao ao amin’ny Havoria […]

Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: Hatsaraina ny lenta sy ny tontolon’ny kabary

Na eo aza ny fivelaran’ny kabary, misy ihany ny lesoka eo amin’ny tontolon’ity zavakanto sady kolontsaina ity. Vonona ny hanampy amin’ny fanarenana izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, raha ny nambaran’ny minisitra, omaly. Notanterahina teto an-dRenivohitr’i Mada­ga­sikara, omaly, ny lanonana hoenti-manamarika ny Androm-pirenena ho an’ny kabary. Lohahevitra tamin’ izany […]