Eny, tao amin’ny tarika Njila izy… Fa pejy efa nivalona ela izany, ho an’i Mam’Rakoto. Efa an-taonany maro no nanoritra ny lalany eo amin’ny mozika Andrianjakamamy Rakotoarinia Benjamin, ary misongadina hatrany ireo sanganasany, na dia monina any Frantsa aza ity mpanakanto ity. Porofon’izany, hamoaka ny rakikira « Heriko ianao » i Mam’Rakoto. […]
kolon-tsaina
« Made in Germany 2026 »: Hizara ny kolontsainy ny Alemà
Tontolon’ny toekarena sy kolontsaina. Efa lasa lavitra noho i Madagasikara i Alemainina. Hizara ireo tombony ananany ry zareo mandritra ny foara « Made in Germany 2026 ». Hotanterahina ny 9 mey ho avy izao, eny amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faharoa amin’ny foara « Made in Germany 2026 ». Hetsika karakarain’ny « Les amis de […]
« Tombokavatsan’ny Havàtsa » : Hanandratana an’i I.P Andriamangatiana
Tafiditra ao anatin’ny fanomezan-kasina sy lanja ireo mpanoratra sy raiamandreny ao aminy. Hisy ny « Tombokavatsan’ny Havàtsa » ho an’i I.P. Andriamangatiana. Iharilanto Patrick Andriamangatiana, andrarezin’ny soratra sy ny tontolon’ny fanabeazana. Ny fahatsapana ireo soa omeny. Hanandratra sy hanome hasina azy sy ny sanganasany ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. […]
TARATRY ny KANTO
Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy ihany koa isika, omaly. Isaky ny 29 avrily izany, saingy efa herinandro mialoha izao no nisy ny hetsika isan-karazany. Vory tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpisehatra rehetra momba ny dihy: mpamorona, mpandihy, mpankafy, sns. Nanjakan’ny fifanakalozana, nanehoana indray fa kanto tsy misy fefy, […]
Filazantsara an-kira : Manohy ny lalany ny tarika Andon’ny Natiora
“… Sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho” (I Korintiana 14: 15 b). Teny filamatra ho an’ny tarika Andon’ny Natiora, izay nijoro tamin’ny taona 2014, tao Fort-Dauphin io. “Andon’ny Natiora, anarana nosafidianay, entina milaza fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny […]





