Silo sy ny zoma faha-13… Izay mpankafy azy hatramin’izay dia mahalala fa anisan’ny daty tena tian’i Silo hihaonana amin’izy ireo ny zoma faha-13. Milatsaka indray izany androany, ka ao amin’ny Piment Café ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fotoana fanehoan’i Silo ny talentany rehetra, na amin’ny fitendrena […]
kolon-tsaina
Cie Théâtre Bazar : Hitondra an-tsehatra ny « Bouches cousues »
Eny, teny frantsay ny lohateny ary amin’ny teny frantsay ny tantara…Maneho ny zava-misy marina eto Madagasikara anefa ilay piesy « Bouches cousues », nontontosain’i Filip Auchère. Haseho etsy amin’ny IFM Anakalely izany, rahampitso 14 marsa, amin’ny 3 ora tolakandro. Farimbon-talenta fanta-daza eo amin’ny sehatry ny teatra maoderina, satria dia i Gad Bensalem […]
Lamina voajanahary no arahina: Fomba fa tsy finoana ny « Taombaovao Malagasy »
Andro voalohany amin’ny volana voalohany amin’ny taona. Tsy ananan’ny firenen-kafa ny fahalalana nentin’ny Malagasy namantatra izany. Niavaka ihany koa ny fomba notanterahiny isaky ny mandalo io fotoana io. Ny anaran’ny volana no niova nanaraka ny vanim-potoana fa ny tononandro, iray ihany no nambarany. Fahiny, nantsoina tamin’ny « papangolahy lava elatra », « andriamboromahery », […]
Fanabeazana sy fampianarana : Mila omena lanja lehibe ny tononkalo
Ankalazaina tsy tapaka isan-taona ny «Andro eran-tany ho an’ny poezia». Mifanaretsaka ny fanatanterahina hetsika isan-karazany. Nitondra inona izy ireny raha eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana ? Mety misy ihany fa ampahany kely raha ho an’ny fampivelarana ny maha olona sy ny hoavin’ny firenena iray manontolo. Noho izany, mila omena lanja ny […]
Tarika Gasy Dihy: Manandratra avo ny vakodrazana
Dihy vakodrazana no nahafantarana ny tarika Gasy Dihy. Mampiaraka izany amin’ny mozika ihany koa izy ireo, satria saika mpanakanto marolafy avokoa izy 10 mianady mpikambana ao. «Aingam-panahy avy amin’ny kolontsaina sy ny fomban-drazana malagasy no entinay, ary kasainay hasandratra avo», hoy i Jean-Louis, mpandihy, mpitendry ary mpitarika ny Gasy Dihy. […]




