kolon-tsaina

Mpampianatra zavakanto : Mifanalavitra ny fahaiza-mampita

Na efa niniana tsy nojerena isan-tsehatra aza ny kanto ampianarina. Miharihary kosa fa mifanalavitra ny fahaiza-mampita ananan’ny mpampianatra zavakanto. Nisongadina io tranga io nandritra ny fihaonana teo amin-dry zareo ireto ny faran’ny herinandro teo, teny Andravoahangy Ambony, misy ny toeram-pampianarana tantanin’ny Valiha Acadé­mie. Manana hafanam-po ha­no­me aina indray ny kolontsaina […]

Lova Ramahefason : « Mahomby ny fianarana mozika ampitain-davitra »

Endri-pampianarana mozika, manaraka ny toetrandro ny ampitain-davitra. Anisan’ireo nisantatra izany teto amintsika i Lova Ramahefason, mpampianatra gitara. Ny taona 2019 no nitsiry ny hevitra voalohany… Somary natosiky ny toe-draharaha nisy nandritra ireny vanim-potoan’ny Covid ireny izany. Nandroso ny fampianarana mozika ampitain-davitra i Lova Ramahefason, izay atao amin’ny alalan’ny “Zoom”. Toy […]

TARATRY ny KANTO

Hetsika niavaka teny amin’ny Kianja Masoandro. Nandray ny seho haisorakanto, niarahana tamin’i Rima sy i Tsiahy Andrianina ny toerana, ny asabotsy teo. Fifandimbiasana antsan-tononkalo teo amin’ireo mpanoratra, izay nentina nanasongadina ny hakanton’ny teny malagasy no nitranga. Tafiditra rahateo anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ny seho. Mitohy ny […]

T-Vibe : Nizara an-tsehatra ny “Ho doria”

Fiarahana nanjakan’ny tena mozika. Samy nentin’ny mozika lavitra mantsy, na ny tarika T-Vibe teny an-tsehatra, na ireo mpijery nameno ny efitranon’ny Ivokolo Analakely, ny tolakandron’ny asabotsy teo. Fotoana nizaran-dry TahinaVibe sy ny tariny ny “Ho doria”, ilay rakikira vaovao an-tsehatra io. Nirona kokoa tamin’ny jazz, na dia karazan-gadona maroloko aza […]