kolon-tsaina

Horizon Madagascar : Hampiofana momba ny fikarakarana hetsika

Tokony ho matihanina avokoa ireo mpisehatra amin’ny fi­karakarana hetsika ara-javakanto. Antony iray nananganana ny tetikasa «Horizon Mada­gascar» izany. Ry zareo avy ao amin’ny Nas Production no hi­sahana izany, izay efa natombok’izy ireo tamin’ny fampiharana nandritra ny fandalovan’ireo mpanakanto maromaro, avy any ivelany. Hi­to­hy indray izany, ma­nodidina ny seho izay hotontosain’i […]

Voin-kava-mahatratra : Nahavita ny adidiny ny Maami

Mpanakanto ara-pilazantsara sy antoko mpihira mitambatra na Maami. Anaram-bondrona niforona noho ny fahatsapan’izy ireo ny adidy miandry, fanehoana firaisankina ho an’ny mponin’i Toamasina sy ny manodidina, vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani. Nahavita ny adidy ny Maami, satria tontosa soa aman-tsara ny hetsika izay nataon’izy ireo ny asabotsy teo, teny […]

Taranaky ny Andriamanjaka eto Imerina : Mitsipaka an’i Ndriana Rabarioelina ho mpanjaka

Tongo-bakivaky… Mifanipa-kevitra ireo misora-tena ho andriana merina. Tsy manaiky ny maha mpanjakan’i Madagasikara an’i Ndriana Rabarioelina ny taranaky ny andriamanjaka. Resaka fandravana ny «Kianja Masoandro» hatrany… Toy ny valala an-karona. Izay aloha no zava-misy iaraha-mahalala, nohamafisin’ny fanambarana nataon’ireo vondron’olona milaza fa taranaka andriana mivondrona anatin’ny Vovonan’ny taranaky ny andriamanjaka eto […]

Fikambanana mpikabary: Maniry ny hamerenana ny minisitry ny kolontsaina

Mpikabary no tena nahafantarana voalohany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny se­rasera teo aloha, Mandrin­drarivony Ogascar Fenosoa. Rariny raha koa ka ireo fikambanan’ny mpikabary maromaro no maniry ny hamerenana azy eo amin’ny toerana, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly, tetsy Analakely. «Tsy mety ny miasa jamba ra­fozana tsy misy sitraka, […]

Ho fanajana ny fomban-drazana…: Natomboka ny vava asa fandrodanana ny colisée

Naheno paipaika ny teny amin’ny manodidina ny Rovan’Antananarivo. Misy inona ? Ho famaliana io fanontaniana io, nanao fampahafantarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Tamin’ny alalan’ny Sekre­tera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nanatanterahana ny fampahafantarana ny zava-nisy tao Anatirova, omaly. Taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana laharana faha-606, tamin’ny 18 febroary 2026, […]