21 febroary, andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Hisy hetsika marolafy hanamarihana izany, anio sy rahampitso. Hanokatra azy ny tafa iarahana amin’ireo mpanoratra dimy mianadahy, etsy amin’ny Mozaïk Antsahabe, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hanodidina ny lohahevitra “Ny fanoratana boky ho an’ny ankizy amin’ny teny malagasy” ny resadresaka hotarihin’i Hobiana Andrianimerina, […]
kolon-tsaina
Fondation H: miezaka mampiroborobo ny kolontsaina
Tanjona napetraka, tany am-piforonany ny hampiroborobo sy hiantsoroka ny kolontsaina, ho an’ity ivontoerana ity. Misokatra ho azy ireo sy ny mpankafy haikanto ny toerana vaovao, nampifanarahana amin’ny filan’ny mpahay kanto. Notanterahina ny 20 febroary 2023, teny amin’ny Radisson Blu Antananarivo, ny fampahafantarana ny toerana vaovao hisy ny Fondation H. Nampahafantarina […]
IFM Analakely : voasariky ny fampirantina ny mpanao hosodoko
Miditra amin’ny herinandro farany anaovana ny varotra fampirantina ny eny amin’ny Institut Française de Madagascar na IFM Analakely. Varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel, mpanao hosodoko matihanina. “Ny vahiny sy ny malagasy ao anatin’ny tontolon’ny hosodoko ihany no tena lina amin’ny hetsika. Tanjona anefa ny hampiseho bebekokoa ny hosodoka amin’ny Malagasy”, […]
« Amour’Rire » : nanolotra seho tsy nampoizina ry Fou Hehy sy Etsetra Etsetra
Ny fitiavana nolalaovina tanaty hatsikana… Fa tsy izay ihany no natolotry ry Eric sy Honorat ao amin’ny tarika Fou hehy sy Aldini sy Riri ao amin’ny tarika Etsetra Etsetra, omaly. Maro ireo tsy nampoizin’ny mpijery tonga tao amin’ny CCEsca Antanimena tamin’ny seho natolotr’izy efadahy ireto. Saika hatsikana vaovao ny ankamaroany, […]
“Tagnamaro” : nodiovina ny Rovan’Ilafy
Sabotsy fahatelon’ny volana, fanaovana ny “Tagnamaro” manerana ny Nosy. Nisafidy ny Rovan’Ilafy ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera foibe, nanatontosana izany ny asabotsy teo. Fanadiovana ny tokontany malalaka, fanamboarana ny zaridaina ary fanalana ireo kirihitra manodidina no marimarina kokoa nitondrana “Tagnamaro” teny amin’ity vakoka manan-tantara ity. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny […]





