kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

“Firaisana voalohany”, iarahana amin-dRalanto, Mami Bastah ary Ankoay. Ao amin’ny Valahara Café Antsirabe no hanatontosana ity fiarahana miavaka amin’ ny rehetra ity. Samy hitondra ny mozikany i Mamy Bastah sy Ralanto, izay vazo mifototra amin’ny tendry gitara sy ny vokatry ny tany avokoa. Hohaingoin’i Ankoay amin’ ireo tononkalo mafonja tonony, […]

Fetin’ny mpifankatia: Manokatra ny taom-pampisehoan’ny mpanao mozika

Fotoana fanararaotra ihany koa ny Saint Valentin, ho an’ny mpanao mozika. Lasa manamarika ny fanombohan’ny taom-pampisehoana izany, sady famoahana hira vaovao. 14 febroary, fetin’ny mpi­fankatia. An­ka­lazain’ny firenena maro maneran-tany ny Saint Va­lentin, na dia tsy “fety masina” araka ny anarany aza. “Fety ara-barotra”, hoy ny famaritana azy, satria mirona kokoa […]

Fototra maha firenena: Nopotehin’ny politika ny teny malagasy

Iray amin’ireo fototra ijoroan’ny firenena, ny teny. Misy ny itambaran’ny mpiara-monina voafaritra anaty toerana iray. Ao koa ny iraisana ao anatin’ny firenena iray. Ireo roa ireo, samy singa mirakitra ny soatoavina avokoa. Ho an’ny teny mala­gasy, tsy afa-nivelatra izy io noho ny tontolo politika. … Taona 1975, tsikaritra ho tafiditra […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny asa hampidirana ny Misiona katolika ao Ambodifotatra Sainte Marie, ho anaty lisitry ny harembakoka iraisam-pirenena harovan’ny Unesco. Tonga eto, ary efa nidina any ifotony ireo manampahaizana momba ny harembakoka avy amin’ny komity misahana ny harembakoka iraisam-pirenena, eo anivon’ny Unesco. Miara-dalana amin’izy ireo ny avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy […]