kolon-tsaina

Lalatiana tetsy Mahamasina : nahasarika mpankafy maro ny fampisehoana

Nahasarika mpankafy maro ny seho natolotr’i Lalatiana sy ireo mpitendriny, omaly. Nankafizin’ny maro ny seho tony dia tony sy milanto. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolon­tsaina Mahamasina, ny seho nataon’i Lalatiana. Fampi­sehoana tokana nataony eto an-tanindrazana taorian’ny fotoana ela tsy nahatazanana azy. Tonga maro nanatrika ireo mpankafy satria […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « Invitation Aux Temps » tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno. Hosodoko sy sary sokitra maneho fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitoviana no hasehony ao anatin’izany. Hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM Analakely, anio, mandritra ny hetsika « Focus Fantasia », […]

Mahaleo Taranaka: manoritra tsikelikely ny lalany

Nahazo ny tsodranon’ny raiamandreny. Telo taona teo izay no niara-dalana tamin’ny tarika Mahaleo ny taranaka. Zanak’ireo mpikambana ao amin’ny tarika ihany ny ankamaroan-dry zalahy. Nano­trona hatrany an’i Bekoto sy i Dama, nanohy ny “Revy Mahaleo” izy ireo. Taorian’ny tsodrano avy amin’izy mirahalahy Mahaleo mbola velon’aina, manoritra tsikelikely ny lalany amin’izay […]

“Embana” : sidina am-poezia etsy amin’ny CGM Analakely

Kalo Fanomezana, Nirihaja, Tiavina ary Haingohaja. Andriambavilanitra efatra natambatry ny poezia ary mpiray faribolana ao amin’ny Sandratra izy ireo. Hisidina am-poezia, araka ny filazan’izy ireo azy, amin’ny alalan’ny “Embana” ny sabotsy 26 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CGM Analakely. “Ny hoe Embana dia fitenim-paritra iray izay […]

Fomba maha malagasy : hampahafantatra momba ny Fanompoambe ny Pr Rabesa Zafera

Anisan’ny fantsona iray mitondra any amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanajana ny kolontsaina. Maro anefa ny Malagasy tsy mbola mahafantatra ireo fomban’ny razambe tany aloha. Izany indrindra no anton’izao velakevitra ho fampahafantarana ny Fanompoambe izao. Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny velakevitra mahakasika ny fomban-drazana fanaon’ireo […]