“Miandry ny didim-panjakana havoakan’ny governemanta izao isika ny amin’ny fanaikana mpifidy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, nanontaniana ny amin’ny fifidianana kaominaly haverina. Efa nisy volavolan-kevitra naroson’ny Ceni any amin’ny governemanta ny amin’izay fifidianana kaomianaly haverina izay. Ny antony hoe mety mbola tsy hamoahan’ny fanjakana izay fanaikana […]
Taratra
Ny maha olona… fototra
Tato ho ato, mirongatra ny asan-jiolahy. Fanafihana mitam-piadiana, fakana an-keriny, famonoana olona… Tsy hita hotanisaina. Saika miharo herisetra sy habibiana hatrany izany. Nahoana? Tsy misy izay tahotra amin’ny fandatsahana aina. Na antitra io na zazakely, na lehilahy na vehivavy… Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, na andro na alina… Lazain’ny mpandinika […]
Fitantanana eny ifotony : Nofanina momba ny tetibola ireo ben’ny Tanàna
Nitohy tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna vaovao. Nanatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny INDDL. Miompana amin’ny sehatra samihafa ny fanofanana. Nisitraka fanofanana ireo ben’ny Tanàna any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hatramin’ny omaly. Anisan’ny niompanan’izany ny fitantanan-draharaha […]
TSELATRA
Hita navelan’ny mpangalatra teny akaikin’ny hotely 206, Cité Haras Toamasina, ilay fiara tsy mataho-dalana nisy nagalatra teny akaikin’ny fiangonana Betela Tanambao V, ny alahady lasa teo. Hita teny an-toerana, tamin’ny 07 ora maraina io fiara io. Tonga nijery ny zava-misy sy nanamarina izany ny polisy. Nentina eny amin’ny kaomisaria kosa […]
Hita faty nihosin-dra: Lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny fony
Nihosin-dra tanteraka, feno ratra, ny faritry ny tratrany sy ny fon’ny lehilahy iray hita faty tao Manakara Renivohitra, nanoloana ny Lapan’ny tanàna, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra fisiana olona nitsirara vao maraina amin’ny tany. Nozahan’ny mpiray monina, lehilahy iray voatrobatrobaky ny antsy teo amin’ny manodidina ny fony ity hita nitsirara […]