Tato ho ato, nahery vaika sy nisesisesy ny fitsikerana ny fitondrana. Amin’izany, mazava ny tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa tsy mivaona amin’ny fanavaozana ny fitondrana tarihiny. Eo ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena hanomboka amin’ny 3 jona. Toy izany koa ny fanomanana ny zotram-pifidianana, efa an-dalana amin’ny fanavaozana manontolo ny […]
Taratra
Fanonganam-panjakana : Nahitana volabe tany amin-dRabary Paul sy Rakotoniaina Yves
Niakatra teny amin’ny fampanoavana, Anosy ny zoma teo ny raharaha fikasana hanakorontana sy fanonganam-panjakana. Voarohirohirohy amin’izany, Rakotoniaina Yves Maurice sy Rabary Paul. Nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna voalohany, Ramanantsoa Nomenarinera Mihamintsoa fa naiditra vonjimaika eny amin’ ny fonjan’Antanimora, ny minisitra teo aloha sady mpitarika ny antoko ny fireneko, Rabary Paul raha […]
TSELATRA
Olona an-jatony, narary tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambatomanohina ny alakamisy lasa teo. Nihinana sakafo namidy nandritra ny fampisehoana nataona mpanakanto iray tany an-toerana ireo olona ireo. efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Ambatomanoina, Analaroa izy rehetra. Raim-pianakaviana iray, maty notifirin’ny dahalo tany Amboronabo, Sakaraha, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Nosakanan’ny […]
Raim-pianakaviana namono tena : Mpianaka niara-maty voahitsaky ny kamiaobe
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Niseho teo amin’ny amin’ny toerana antsoina hoe : Andriaka, tsy lavitra an’Anjiro, distrikan’i Moramanga ny loza. Moto iray notaingan’olon-droa no nidona mafy tamin’ny kamiao mpitatitra entana iray teny an-toerana. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Moramanga ilay […]
Fisotroana toaka : Lehilahy iray maty tampoka
Mirongatra ny trangam-pahafatesana tampoka eny rehetra eny, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly bé Toamasina. Anisan’izany, ny raim-pianakaviana iray 45 taona izay nitsirara tampoka teo amin’ny tsenan’ny Valapinson ny zoma 15 mey lasa teo. Nilaza ho mangetaheta ary nangataka rano ho sotroina ity lehilahy ity. Naka malomaloka izy […]




